10 Nilatsaka tamin’io ny Fanahin’i Iaveh, ka nitsara an’i Israely izy, ary nivoaka hiady; ary natolotr’i Iaveh ho eo an-tanany i Kosana-Rasataîma mpanjakan’i Mesôpôtamia, ka nahery tamin’i Kozana-Rasataîma ny tanany.
10 Ary tonga taminy ny Fanahin’NY TOMPO dia tonga mpitsara teo amin’ny Israely izy ka nivoaka hiady. Ary i Kosana-Risataima, mpanjakan’i Arama, dia natolotry NY TOMPO teo an-tanany ka nanampatra ny heriny tamin’i Kosana-Risataima izy.
10 Dia nitoetra tao aminy ny Fanahin’ny TOMPO, ka nitondra ny Israelita izy. Ary niainga hiady i Hôtniela; dia natolotry ny TOMPO teo an-tanany i Kosàna-Risehataîma mpanjakan’i Mezôpôtamia ka resiny.
10 Dia nitoetra tao aminy ny Fanahin’ny TOMPO, ka nitondra ny Israelita izy. Ary niainga hiady i Hôtniela; dia natolotry ny TOMPO teo an-tanany i Kosàna-Risehataîma mpanjakan’i Mezôpôtamia ka resiny.
10 Ary ny Fanahin’i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan’i Mesopotamia, dia natolotr’i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an’i Kosan-risataima.
10 Ary ny Fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, dia natolotr'i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an'i Kosan-risataima.
10 Ary tonga taminy ny Fanahin’NY TOMPO dia tonga mpitsara teo amin’ny Israely izy ka nivoaka hiady. Ary i Kosana-Risataima, mpanjakan’i Arama, dia natolotry NY TOMPO teo an-tanany ka nanampatra ny heriny tamin’i Kosana-Risataima izy.
Ary i Amasaì, lehiben’ny telopolo lahy, dia nosaronan’ny Fanahy, ka nanao hoe: «Anao izahay, ry Davida, ary momba anao, ry zanak’i Isaia! Fiadanana, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an’izay manampy anao.» Dia noraisin’i Davida izy ireo, ary nomeny toerana tamin’ny lehiben’ny antokon’ny miaramila.
Fa hidina Aho, ka hiteny aminao Aho; ary haka amin’ny fanahy izay ao aminao Aho, ka hametraka izany ao amin’izy ireo, mba hiarahany miadidy aminao ny fitondrana ny vahoaka dia tsy ho anao irery intsony no hitondra azy.
Nidina teny amin’ny rahona i Iaveh dia niteny tamin’i Môizy; nangalany ny fanahy izay tao amin’i Môizy, ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny fanahy, nefa tsy notohizany izany.
Fa hoy ny navalin’i Môizy azy: «Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’i Iaveh, ary hataon’i Iaveh ao aminy ny fanahiny.»
Dia tonga tamin’i Jefte ny Fanahin’i Iaveh, ka nandeha namaky an’i Galaada sy i Manase izy, ary tonga hatrany Masfà, any Galaada: ary avy ao Masfà dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna.
Dia nentin’ny Fanahin’i Iaveh izy ka nidina nankany Askalôna. Ary namono olona telopolo lahy tao izy, dia naka babo avy aminy. Ka ny fitafiana atao fanovany nomeny an’izay nahalala ny ankamantatra. Raha efa izany niakatra nankany an-tranon-drainy izy, fa nirehitra ny fahatezeran’i Samsôna.
Nony tonga tany Lekia izy, dia notsenain’ny Filistinina tamim-panakorana. Fa notsindrian’ny Fanahin’i Iaveh kosa i Samsôna tamin’izay, ka ny mahazaka tamin’ny sandriny tonga toy ny kofehy rongony main’ny afo, ary ny fatorana tamin’ny tanany nivotsotra;
ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh; namidiny ho eo an-tanan’i Kozana-Rasataîma mpanjakan’i Mesôpôtamia izy, dia nanompo an’i Kozana-Rasataîma valo taona ny zanak’i Israely.
Dia noraisin’i Samoela ny tandroka nisy diloilo, ka nohosorany teo afovoan’ny rahalahiny io; ary hatramin’izany andro izany sy tamin’ny andro manaraka, dia niditra tamin’i Davida ny Fanahin’i Iaveh. Dia niainga i Samoela nankany Ramata.