Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitoriteny 11:1 - Baiboly Katolika

Atsipazo eny ambony rano ny mofonao, fa mbola any ny andro hahitanao azy indray.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Atsipazo eny ambonin’ny rano ny mofonao fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Atsipazo eny ambony rano ny mofonao, fa ho hitanao ihany izy indray andro any.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Atsipazo eny ambony rano ny mofonao, fa ho hitanao ihany izy indray andro any.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Atsipazo eny ambonin'ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Atsipazo eny ambonin’ny rano ny mofonao fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.

Jereo ny toko



Mpitoriteny 11:1
21 Rohy Ifampitohizana  

tantely, dibera, ondry, ary frômazin’omby: nateriny izany mba hohanin’i Davida sy ny vahoaka tao aminy, fa hoy izy: «Nihafy tamin’ny hanoanana sy ny fahasasarana ary ny hetaheta any an’efitra ity vahoaka ity.»


Ny ratsy fanahy manao lahasa manodòka, fa izay mamafy fahamarinana kosa dia efa azo antoka ny valiny.


Izay miantra ny mahantra, mampisambotra an’i Iaveh, ka Izy no hamaly ny soa nataony.


Hambinina ny olona antra fijery, fa anomezany ny mahantra ny mofony.


Vao maraina dia afafazo ny voanao, ary ny hariva koa aza avela hitsahatra ny tananao, fa tsy fantatra izay ho vanona na ity na irỳ, na samy ho vanona aza izy roa tonta.


Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana, fotoana hitahirizana, ary fotoana hanariana.


Sambatra ianareo mamafy eny rehetra eny anilan’ny rano, sy mamela ny tongotry ny omby aman’ampondra, hiriaria.


Fa ny andriana manan-kevitra mendrika andriana, sy hitsangan-kanao asa mendrika andriana.


Fa amin’ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, ka hitohy ny fahavokaran’ny hazo ho anareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.


ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano, dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo; fa raha tsy mendrika kosa izy, dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo.


ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.


Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa;


Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.


dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rehefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao.»


Ary izao no izy: izay mamafy kely dia hijinja kely, ary izay mamafy be dia hijinja be.


Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.