Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitoriteny 1:9 - Baiboly Katolika

Izay efa teo no ho eo, ary izay efa natao no hatao, fa tsy misy zava-baovao atỳ ambany masoandro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay efa teo ihany no ho tonga indray ary izay efa natao ihany no mbola haverina indray; tsy misy zava-baovao etỳ ambanin’ny masoandro.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izay efa teo ihany no mbola ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray. Fa tsy misy zava-baovao akory izay rehetra mitranga etỳ ambonin’ny tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izay efa teo ihany no mbola ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray. Fa tsy misy zava-baovao akory izay rehetra mitranga etỳ ambonin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray; fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ny masoandro.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin'ny masoandro.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay efa teo ihany no ho tonga indray ary izay efa natao ihany no mbola haverina indray; tsy misy zava-baovao etỳ ambanin’ny masoandro.

Jereo ny toko



Mpitoriteny 1:9
10 Rohy Ifampitohizana  

Raha misy zavatra lazaina hoe: He, vaovao izany! dia efa nisy sahady tamin’ny siekla talohantsika izany zavatra izany.


Dia nitodika hijery ny fahendrena aho, hampitaha azy amin’ny hadalana amam-pahafokana; satria zovy indray moa no mety hanaraka ny mpanjaka, izy izay efa nomena izany fiamboniana izany hatr’izay ela izay?


Ny atao izao dia efa nisy sahady, ary izay mbola hatao koa, efa nisy sahady; fa averin’Andriamanitra ny efa lasa.


Ny zavatra tonga rehetra, dia efa voatondro anarana rahateo; fantatra ihany izay ho toetry ny olona; ary tsy mahazo mifandahatra amin’izay mahery noho izy izy.


Aza manao hoe: Nahoana ny andro taloha, no tsara noho ny ankehitriny? fa tsy mba fahendrena no anontaniana an’izany.


Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tany karankaina.


Fa nahary zava-baovao amin’ny tany i Iaveh: vehivavy hanodidina lehilahy.


Ary toy ny nisian’ny mpaminany sandoka teo amin’ny vahoaka fahiny, no hisian’ny mpampianatra tsy marina eo aminareo koa, izay hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery sady handà ny Tompo izay nanavotra azy, ka hitari-doza tampoka ho an’ny tenany.


Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary tsy nisy intsony koa ny ranomasina.


Dia hoy Ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana: «Indro havaoziko ny zavatra rehetra.» Ary hoy koa Izy: «Soraty fa marina sy mahatoky ireo teny ireo.»