Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 1:8 - Baiboly Katolika

8 Miasa avokoa ny zavatra rehetra, mihoatra noho ny azo lazaina; ny maso tsy mamo mijery; ary ny sofina tsy ketra-mihaino.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Manasatra ny zavatra rehetra ka tsy misy olona mahalaza izany intsony; ny maso dia tsy afa-po mijery, ary ny sofina dia tsy afa-po mihaino.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Tsy misy mihitsy afaka hilaza hoe hatraiza izany fitamberimberenan’ny zava-drehetra izany: fa ny maso tsy mba monai-mijery ary ny sofina tsy mba leon’ny mihaino.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Tsy misy mihitsy afaka hilaza hoe hatraiza izany fitamberimberenan’ny zava-drehetra izany: fa ny maso tsy mba monai-mijery ary ny sofina tsy mba leon’ny mihaino.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Maivana-ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Manasatra ny zavatra rehetra ka tsy misy olona mahalaza izany intsony; ny maso dia tsy afa-po mijery, ary ny sofina dia tsy afa-po mihaino.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 1:8
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia hidera Anao amin’ny andro rehetra iainako aho, hanandra-tanana amin’ny Anaranao.


Tsy mety voky ny fasana aman-tSeoly, tsy mety afa-po toy izany koa ny mason’ny olombelona.


Mankany amin’ny ranomasina avokoa, ny renirano, nefa tsy feno ny ranomasina; any amin’ny toerana alehany no ankanesany tsy tapaka.


Nony inona, nodinihiko izay asa rehetra nataon’ny tanako, mbamin’ny fahasasarako nolaniko nanatanterahana izany; ka indro zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana izany; fa tsy misy zava-tsoa azo, atỳ ambany masoandro.


Fa ny olona izay tsara eo imasony dia omeny ny fahendrena amam-pahaizana ary fifaliana. Ny omeny ny mpanota kosa, dia ny mikarakara ny famoriana amam-panavosàna zavatra mba hisy omeny an’izay olona tsara eo imason’Andriamanitra. Ary zava-poana ihany koa izany sady fanenjehan-drivotra.


Misy olona mitoetra irery, ka tsy misy anankiray hafa miaraka aminy, tsy zanaka, tsy rahalahy, kanefa aza lava tsy misy farany ny azy, ary tsy afa-dian-karena ny masony: Ho an’iza àry ity iasako, sy tsy ampananako fiadanana ny fanahiko? Zava-poana koa izany, ary lahasa ratsy.


Ny asan’ny olombelona dia ho an’ny vavany avokoa, nefa ny faniriany tsy mety afa-po na oviana na oviana.


Nanantena be ianao, nefa tsy nisy afa-tsy kely foana; nanangona ny vokatrareo, nefa notsofiko izany. Nahoana? - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Satria ny Tranoko mbola rava; nefa ianareo isany, samy maimay be ihany ny amin’ny tranony avy.


Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho.


Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra