Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 1:7 - Baiboly Katolika

7 Mankany amin’ny ranomasina avokoa, ny renirano, nefa tsy feno ny ranomasina; any amin’ny toerana alehany no ankanesany tsy tapaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ny renirano rehetra dia samy mankany amin’ny ranomasina nefa tsy mety feno ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Mivarina any an-dranomasina ny ony rehetra, nefa tsy mety feno ny ranomasina, na dia tsy an-kiato aza no ivarinan’ny ony amin’izany toerana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Mivarina any an-dranomasina ny ony rehetra, nefa tsy mety feno ny ranomasina, na dia tsy an-kiato aza no ivarinan’ny ony amin’izany toerana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny reni rano ihany no iverenany indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ny renirano rehetra dia samy mankamin'ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin'izay falehan'ny renirano ihany no iverenany indray.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ny renirano rehetra dia samy mankany amin’ny ranomasina nefa tsy mety feno ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 1:7
4 Rohy Ifampitohizana  

Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, vao misampotina indray, ka manomboka mihodina toraky ny teo.


Miasa avokoa ny zavatra rehetra, mihoatra noho ny azo lazaina; ny maso tsy mamo mijery; ary ny sofina tsy ketra-mihaino.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra