Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 6:10 - Baiboly Katolika

10 Ny zavatra tonga rehetra, dia efa voatondro anarana rahateo; fantatra ihany izay ho toetry ny olona; ary tsy mahazo mifandahatra amin’izay mahery noho izy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olombelona dia tsy mahazo mifandahatra amin’Izay mahery noho izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Izay rehetra misy dia efa voalaza anarana hatry ny ela ary iaraha-mahalala ny atao hoe olombelona; kanefa tsy azony atao ny mifandahatra amin’izay mahery noho izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Izay rehetra misy dia efa voalaza anarana hatry ny ela ary iaraha-mahalala ny atao hoe olombelona; kanefa tsy azony atao ny mifandahatra amin’izay mahery noho izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olona dia tsy mahazo mifandahatra amin’izay mahery noho izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olona dia tsy mahazo mifandahatra amin'izay mahery noho izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 6:10
18 Rohy Ifampitohizana  

Fa i Iaveh Andriamanitra niantso an-dralehilahy nilaza taminy hoe: «Aiza moa ianao?»


Ka nahoana no mifanditra aminy, noho Izy tsy mamoaka izay ataony na amin’iza na amin’iza?


«Te hiady amin’ny Tsitoha va io mpanadidy azy io? mahavaly va izay mifandahatra amin’Andriamanitra?»


Tsy olombelona toa ahy Andriamanitra, ka ho azoko valiana, mba hifanatrehanay eo amin’ny fitsarana.


Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny,


Nataonao vody voampelatanana monja ny androko; ary toy ny tsinontsinona eo anatrehanao ny fiainako. Eny, tso-drivotra foana avokoa, ny olombelona velona. - Selà


Tsy misy fahendrena na fahamalinana, na fisainana eo anatrehan’i Iaveh.


Ny atao izao dia efa nisy sahady, ary izay mbola hatao koa, efa nisy sahady; fa averin’Andriamanitra ny efa lasa.


Fa betsaka ny teny izay mampitombo ny zava-poana fotsiny: ka inona no soa azon’ny olona amin’izany?


Indro izy, miakatra sahala amin’ny liona avy ao an-kirihitralan’i Jordany izay misy vilona mandrakariva; ka hampandosiriko tampoka hiala ao Edôma, dia ilay voafidiko no hapetrako ao. Fa iza moa no tahaka Ahy? Zovy no hihantsy Ahy? ary iza moa no mpiandry ondry hifanandrina amiko?


Te-hampahasaro-piaro ny Tompo angaha isika? Mahery noho Izy va isika?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra