Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra? Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?
Mika 7:4 - Baiboly Katolika Ny tsara indrindra aminy, no toy ny tsilo; ny mahitsy indrindra, ratsy noho ny fefy roy. - Tonga ny andro voalazan’ny tilinao, tonga ny andro famaizana anao; amin’izao dia efa safo-kenatra izy ireo! - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny voaroy madinidinika misy tsilotsilony ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo. Avy ny andro nambaran’ny mpitilinao fa hamaliana anao. Amin’izany dia ho very hevitra izy ireo. DIEM PROTESTANTA Ny tsara indrindra aminy dia toy ny roy, ary ny mahitsy indrindra aminy dia ratsy noho ny fefy tsilo. Ho avy ny andro famaizana anareo araka ny nambaran’ireo mpaminany mpitilinareo; ary, ankehitriny aza, dia efa manahy mafy ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny tsara indrindra aminy dia toy ny roy, ary ny mahitsy indrindra aminy dia ratsy noho ny fefy tsilo. Ho avy ny andro famaizana anareo araka ny nambaran’ireo mpaminany mpitilinareo; ary, ankehitriny aza, dia efa manahy mafy ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron’ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin’izany dia vao ho very hevitra hianao. Malagasy Bible Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron'ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin'izany dia vao ho very hevitra ianao. La Bible en Malgache Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny voaroy madinidinika misy tsilotsilony ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo. Avy ny andro nambaran’ny mpitilinao fa hamaliana anao. Amin’izany dia ho very hevitra izy ireo. |
Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra? Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?
Fa andron’ny tabataba, fanosihosena, fahaverezan-kevitra ity, ka nalefan’ny Tompo Iavehn’ny tafika, ho any amin’ny Lohasahan’ny fahitana; ravana ny manda, misy dradradradra re eny an-tendrombohitra eny.
Ny sipresy no haniry eo amin’izay misy tsilo, ary ny mirta no hipoitra eo amin’izay misy hery. Ho voninahitra ho an’i Iaveh izany, ary tsangam-bato mandrakizay tsy horavana.
Ny mpikarama eo aminy kosa, hoatra ny zanak’omby voafahy. Indreny miamboho koa izy ireo dia miara-mandositra, fa tsy manohitra izy, fa nihatra taminy ny androm-pahoriana, dia ny fotoana hamaliana azy.
Homenàrina izy, fa nanao fahavetavetana, nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy, ary tsy mba valahara! koa dia hiara-davo amin’izay lavo izy ireo; ary hiteraka amin’ny andro hamangiako azy izy», hoy i Iaveh.
Ary ianao, aza matahotra azy, ry zanak’olona, na matahotra izay teniny; fa miaraka amin’ny hery aman-tsilo ianao, sy miara-mitoetra amin’ny maingoka. Aza matahotra izay teniny na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka mpiodina izy.
Amin’izay tsy hisy intsony, ho an’ny taranak’i Israely, izay tsilo mandoza, na roy mampangirifiry eo amin’izay rehetra mifanila aminy ka manao azy ho tsinontsinona; dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh Aho.
Ary hoy izy: «Inona no hitanao, ry Amôsy?» Dia hoy ny navaliko: «Voankazo masaka iray sobiky.» Ka hoy i Iaveh tamiko: «Tonga ny farany ho an’i Israely vahoakako: Tsy hamela azy intsony Aho, izao sisa izao.
Fa nifaningotra toy ny tsilo sy toy ny leon’ny divainy izy ireo, ka ho levona toy ny mololo karankaina.
«Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;
fa hàlany sy efa hozoniny kosa raha maniry tsilo sy hery, ka ny hodoran’ny olona no hiafarany.