Nony tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Osea dia azon’ny mpanjakan’i Asiria i Samaria, ka nentiny ho babo tany Asiria i Israely namponeniny tany Halà, teo amoron’i Habôra, ony any Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’i Meda.
Mika 1:16 - Baiboly Katolika Ongoty ny volonao, kakaso izy, noho ny amin’ireo zanakao malalanao; ataovy tonga sola toy ny papango sola ny lohanao fa lasan-ko babo lavitra anao ireny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Miheteza sy mikakasa noho ireo zanakao maminao. Halehibiazo ny solanao ho toy ny an’ny vaotoro fa lasan-ko babo lavitra anao izy. DIEM PROTESTANTA Hetezo ny volonareo ary kakaso ny lohanareo, ry mponina ao Tsiôna; halehibiazo ho tahaka ny an’ny fanindry ny sola eo an-dohanareo, noho ny amin’ireo zanaka malalanareo: satria nentina ho babo lavitra anao izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hetezo ny volonareo ary kakaso ny lohanareo, ry mponina ao Tsiôna; halehibiazo ho tahaka ny an’ny fanindry ny sola eo an-dohanareo, noho ny amin’ireo zanaka malalanareo: satria nentina ho babo lavitra anao izy. Baiboly Protestanta Malagasy Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an’ny volitora, Fa lasan-ko babo niala taminao izy. Malagasy Bible Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an'ny voltora, Fa lasan-ko babo niala taminao izy. La Bible en Malgache Miheteza sy mikakasa noho ireo zanakao maminao. Halehibiazo ny solanao ho toy ny an’ny vaotoro fa lasan-ko babo lavitra anao izy. |
Nony tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Osea dia azon’ny mpanjakan’i Asiria i Samaria, ka nentiny ho babo tany Asiria i Israely namponeniny tany Halà, teo amoron’i Habôra, ony any Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’i Meda.
Dia nitsangana i Jôba tamin’izay, nandriatra ny fitafiany, nanaratra ny lohany, nidaboka tamin’ny tany ary niankohoka nanao hoe:
Miakatra ho any an-tempolin’i Kamaosy sy any Dibôna ny olona, eny amin’ny fitoerana avo mba higogogogo; migogogogo ny amin’i Nebô sy i Medebà, i Moaba. Ny loha mibory avokoa; ny somotra voaharatra daholo.
Ny Tompo Iavehn’ny tafika, niantso anareo, tamin’izany andro izany, hitomany sy higogogogo, hibory loha sy hisikina lasàka.
Amin’ity tany ity, na ny lehibe na ny kely, ho faty avokoa, nefa tsy hisy levenana na fitomaniana ho azy; tsy hisy hiteti-tena na hibory noho ny aminy ny olona.
Noho izany misikìna lamba malailay ianareo; mitomania sy midradradradrà; fa ny firehitry ny hatezeran’i Iaveh, tsy nihodivitra antsika.
Tonga mangadihady loha i Gazà; levona i Askalôna, mbamin’ny lohasaha manodidina azy. Mandra-pahoviana ianao no mbola hiteti-tena ihany?
Ry zanaka vavin’ny vahoakako, misikìna lamba malailay; mihosena amin’ny lavenona; manaova fisaonana, toy ny fisaonana zanaka lahy tokana; midradradradrà mafy fa tonga tampoka amintsika ny mpandringana.
Harato ny volonao, dia ario; ka miventesa hira fisaonana eny amin’ny havoana, satria nakifik’i Iaveh sy nolaviny, ny taranaka mahatezitra azy.
Mitsangàna, miantsoantso mandritra ny alina, hatramin’ny filatsahan’ny fiambenana; aidino hoatra ny rano ny fonao, eo anatrehan’ny Tavan’ny Tompo! Manandrata tanana aminy, ho an’ny ain’ny zanakao madinika, izay lavo toran’ny hanoanana, eny an-joron-dalana rehetra eny.
Satria izao no tenin’i Amôsy: ‹I Jerôbôama ho fatin’ny sabatra; ary i Israely hoentin-ko babo hiala amin’ny taniny.› »
Koa izao no lazain’i Iaveh: ‹Ny vadinao hovetavetaina ao an-tanàna; ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ho lavon-tsabatra; ny taninao, hozaraina amin’ny famolaina, ary ianao ho faty eo amin’ny tany maloto; ary i Israely hoentin-ko babo hiala amin’ny taniny.› »
Ny fetinareo hampodiko ho fisaonana; ny hira fifalianareo, ho fitomaniana; ny andilana rehetra hosikinako lasàka, ny loha rehetra hataoko sola; ny tany hataoko hoatra ny misaona zanaka lahy tokana; ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy.