Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 8:9 - Baiboly Katolika

Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin’ny iray hoe: Andeha ianao, dia mandeha izy; ary amin’ny anankiray: Avia ianao, dia avy izy; ary amin’ny ankiziko: Ataovy izao, dia manao izy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa izaho koa dia mba lehilahy manana lehibe ihany ary manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy aho amin’ny iray: Mandehana! Dia mandeha izy; ary amin’ny iray koa: Avia! Dia avy izy; ary amin’ny mpanompoko: Ataovy izao! Dia manatanteraka izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izaho manko, na ambany fahefan’olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izaho manko, na ambany fahefan’olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin’ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin’ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin’ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin'ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa izaho koa dia mba lehilahy manana lehibe ihany ary manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy aho amin’ny iray: Mandehana! Dia mandeha izy; ary amin’ny iray koa: Avia! Dia avy izy; ary amin’ny mpanompoko: Ataovy izao! Dia manatanteraka izy.

Jereo ny toko



Matio 8:9
17 Rohy Ifampitohizana  

Araka ny lalànao no mbola aharetan’ny zavatra rehetra mandraka androany; fa manaiky ny fandaharanao ny zavatra rehetra.


afo aman-kavandra, oram-panala aman’etona, rivotra mahery izay manatanteraka ny fandaharany,


Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy izy tamin’izay nanaraka Azy: «Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany aho tamin’i Israely.


Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: «Tompoko, tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.


Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe: «Inona ity? Fampianarana vaovao inona re ity? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.»


Niondrika teo amin’ny marary Izy nandidy ny tazo, dia niala ny tazo, ka nitsangana niaraka tamin’izay ravehivavy ary nampihinana azy ireo.


Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa, ka ny anankiray ilazako hoe: ‹Mandehana›, dia mandeha; ny anankiray ataoko hoe: ‹Avia›, dia avy; ary ny mpanompoko koa hoe: ‹Ataovy izany›, dia manao izy.»


Ary namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy i Jesoa ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina.


Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny zavatra rehetra, tsy eo imasony ihany, toy ny mpila sitraka amin’olombelona, fa amim-pahatsoram-po sy amim-pahatahorana ny Tompo.


Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony, hanao izay mahafaly azy amin’ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly foana,