Misy vavolombelona tsy marina mitsangana; ka miampanga ahy amin’ny zavatra tsy fantatro,
Matio 5:11 - Baiboly Katolika Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny Amiko; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Sambatra ianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny Amiko. DIEM PROTESTANTA Sambatra ianareo raha tevatevain’ny olona sy enjehiny ary ampangaina lainga amin’ny ratsy isan-karazany noho ny maha mpianatro anareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Sambatra ianareo raha tevatevain’ny olona sy enjehiny ary ampangaina lainga amin’ny ratsy isan-karazany noho ny maha mpianatro anareo. Baiboly Protestanta Malagasy Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Malagasy Bible Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. La Bible en Malgache Sambatra ianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny Amiko. |
Misy vavolombelona tsy marina mitsangana; ka miampanga ahy amin’ny zavatra tsy fantatro,
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay; I Iaveh Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra; ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra; fa efa niteny i Iaveh.
Mihainoa Ahy, ianareo mahalala ny fahamarinana, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao. Aza matahotra izay latsan’olombelona; na mivadi-po amin’izay fanaratsian’izy ireo.
Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo izay mangovitra amin’ny teniny: Niteny ireo rahalahinareo izay mankahala anareo, sady nandroaka anareo noho ny amin’ny Anarako, nanao hoe: «Aoka hasehon’i Iaveh ny voninahiny, mba hahitanay ny fifalianareo!» Kanefa izy ireo no ho menatra.
Fa hoy i Jeremia: «Tsy marina izany, tsy miandany amin’ny Kaldeanina aho.» Tsy nihaino izany akory anefa i Jeriasa, fa nosamboriny ihany i Jeremia, dia nentiny nankany amin’ny lehibe.
ary hoentiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny Jentily.
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.
fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany.
Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.
Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay.
Amin’izany, dia hatolony hampijaliana sy hovonoina ianareo, ary ho halan’ny firenena rehetra noho ny Anarako.
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.»
«Tandremo koa ny amin’ny tenanareo, fa hotorìna amin’ny mpitsara ianareo, sy hokapohina ao amin’ny sinagoga, ary hoentina eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny Amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy.
nefa tsy miorina lalina ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy.
Fa alohan’izany rehetra izany ianareo dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagoga sy an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpifehy noho ny Anarako.
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’olona.
Izay te hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy.
Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny Anarako, satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy.
Dia notevatevain’ireo izy sy nataony hoe: «Ialahy no mpianany, fa raha izahay kosa dia mpianatr’i Môizy.
Araka ny voasoratra hoe: «Ianao no amonoana anay isan’andro; mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay.»
Izahay moa, adala noho ny amin’i Kristy, ianareo kosa hendry ao amin’i Kristy! Izahay osa, fa ianareo no matanjaka; izahay faneso, ianareo kosa fanaja.
Fa na dia velona aza izahay, dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesoa, mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny nofonay mety maty.
Satria noho ny amin’i Kristy, dia tsy ny hino Azy ihany no nomena anareo, fa ny hiaritra fahoriana noho ny aminy koa,
Izy Ilay notevatevaina nefa tsy nanevateva, nijaly nefa tsy mba nandrahona, fa nanolo-tena tamin’ny mpitsara Azy tsy an-drariny;
Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’ny voninahitra sy ny fahefana, dia ny Fanahin’Andriamanitra.