Nony hitan’i Akitôfela fa tsy narahina ny heviny, dia nasiany lasely ny ampondrany ka niainga nandeha ho any amin’ny tany an-tanànany izy, ka nony efa nanafatra ny tao an-tranony dia nananton-tena ka maty izy, ary nalevina tao am-pasan-drainy.
Matio 27:5 - Baiboly Katolika Dia natsipiny tao anatin’ny Tempoly ny vola, ka lasa izy nanao tadimody nananton-tena. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa avy nanipy ny vola teo amin’ny tempoly izy dia lasa nandeha ka nananton-tena. DIEM PROTESTANTA Sady nanipy ny vola tao amin’ny Toeramasina i Jodasy no niala teo, ary dia lasa nananton-tena. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Sady nanipy ny vola tao amin’ny Toeramasina i Jodasy no niala teo, ary dia lasa nananton-tena. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony natsipiny teo amin’ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty. Malagasy Bible Ary nony natsipiny teo amin'ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty. La Bible en Malgache Ary rehefa avy nanipy ny vola teo amin’ny tempoly izy dia lasa nandeha ka nananton-tena. |
Nony hitan’i Akitôfela fa tsy narahina ny heviny, dia nasiany lasely ny ampondrany ka niainga nandeha ho any amin’ny tany an-tanànany izy, ka nony efa nanafatra ny tao an-tranony dia nananton-tena ka maty izy, ary nalevina tao am-pasan-drainy.
Nony hitan’i Zambrì fa afaka ny tanàna, dia lasa niditra ao amin’ny trano mimandan’ny tranon’ny mpanjaka izy, ka nodorany aman-trano tao ny tenany. Toy izany no nahafatesany,
Dia hoy ny vavy taminy: «Mbola maharitra amin’ny fahamarinanao ihany va ianao? Ozòny Andriamanitra dia aoka ho faty ianao».
Miankìna amin’i Iaveh fa hanohana anao Izy; tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina.
ka nanao hoe: «Ilay io nilaza hoe: Mahay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra Aho, ary mahay manangana azy amin’ny hateloana indray.»
Ary nalain’ny lohandohan’ny mpisorona ny vola ka hoy izy: Tsy azo alatsaka ao amin’ny rakitra masina izany, satria vidin-dra;
Niandry an’i Zakaria anefa ny olona ka gaga noho izy naharitra ela tao amin’ny Tempoly;
dia voatendrin’ny loka araka ny fanaon’ny mpisorona hiditra ao amin’ny Tempolin’ny Tompo, hanolotra ny emboka,
Nantsoiny faingana ny zatovo mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: «Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan’ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy». Dia notrabaran’ilay zatovo izy, ka maty.