Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 27:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Sady nanipy ny vola tao amin’ny Toeramasina i Jodasy no niala teo, ary dia lasa nananton-tena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary rehefa avy nanipy ny vola teo amin’ny tempoly izy dia lasa nandeha ka nananton-tena.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Sady nanipy ny vola tao amin’ny Toeramasina i Jodasy no niala teo, ary dia lasa nananton-tena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Dia natsipiny tao anatin’ny Tempoly ny vola, ka lasa izy nanao tadimody nananton-tena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary nony natsipiny teo amin’ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary nony natsipiny teo amin'ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ary rehefa avy nanipy ny vola teo amin’ny tempoly izy dia lasa nandeha ka nananton-tena.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 27:5
12 Rohy Ifampitohizana  

Nony hitan’i Ahitôfela fa tsy narahina ny heviny, dia nasiany lasely ny borikiny, ary lasa izy nody tany an-tanàna fonenany. Rehefa avy nanafatra ny ankohonany izy, dia nananton-tena ary maty ka nalevina tao amin’ny fasan-drainy.


Rehefa hitan’i Zimrỳ fa azo ny tanàna, dia lasa izy niditra tao amin’ny tilikambo nisy ny efitranon’ny mpanjaka; nodorany io efitrano io, ka dia niara-devona taminy tao izy.


Ary hoy ny vadiny taminy: –Mbola mikiry amin’ny fahamarinanao foana ve ianao? Lavy Andriamanitra, dia matesa any ianao!


Ka dia aleoko kendainao ho faty toy izay mitofezaka misarin-kàrana.


Apetraho amin’ny TOMPO ny fiahianao, fa Izy no hanohana anao; na oviana na oviana ny olo-marina tsy havelany hangozohozo.


ka nanao hoe: –Izao no voalazan’ilay io; azoko ravana ity tempolin’Andriamanitra ity ary haoriko indray ao anatin’ny telo andro.


Ireo lohandoha-mpisorona kosa naka ny vola ary niteny hoe: –Tsy azo alatsaka amin’ny rakitry ny tempoly ireto vola ireto satria vidin-dra.


Niandry dia niandry an’i Zakarià ny vahoaka mpiangona ary gaga satria naharitra ela loatra tao amin’ny Toeramasina ity mpisorona.


Naroso ny antsapaka araka ny fanaon’ny mpisorona ka izy no voatendry handoro ny ditin-kazo manitra ao amin’ny Toeramasin’ny Tompo.


Dia nantsoin’i Abimelèka faingana ilay tovolahy mpitondra ny fiadiany ary nodidiany hoe: –Raiso ny sabatrao ka vonoy aho, fandrao holazain’ny olona hoe vehivavy no nahafaty ahy. Dia notrobaran’ilay tovolahy tamin’ny sabatra i Abimelèka ka maty.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra