Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 27:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Ireo lohandoha-mpisorona kosa naka ny vola ary niteny hoe: –Tsy azo alatsaka amin’ny rakitry ny tempoly ireto vola ireto satria vidin-dra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary ny lehiben’ny mpisorona dia nandray ny vola ka niteny hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin’ny rakitry ny tempoly ity fa vidin-dra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Ireo lohandoha-mpisorona kosa naka ny vola ary niteny hoe: –Tsy azo alatsaka amin’ny rakitry ny tempoly ireto vola ireto satria vidin-dra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ary nalain’ny lohandohan’ny mpisorona ny vola ka hoy izy: Tsy azo alatsaka ao amin’ny rakitra masina izany, satria vidin-dra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary ny lohan’ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin’ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-dra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary ny lohan'ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin'ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ary ny lehiben’ny mpisorona dia nandray ny vola ka niteny hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin’ny rakitry ny tempoly ity fa vidin-dra.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 27:6
8 Rohy Ifampitohizana  

Satria Izaho TOMPO dia tia rariny ka mankahala ny fandrobana an-kafetsena; homeko onitra ara-pahamarinana ianareo ary hanaovako fanekempihavanana mandrakizay.»


Ry mpitari-dalana jamba, tantavaninareo ny moka amin’ny zava-pisotronareo, nefa ny rameva atelinareo.


Sady nanipy ny vola tao amin’ny Toeramasina i Jodasy no niala teo, ary dia lasa nananton-tena.


Rehefa nikaon-doha ry zareo, dia nampiasa ny vola hividianana ny sahan’ny mpanefy vilany mba hatao fasam-bahiny.


Fa ianareo kosa manambara fa raha misy olona milaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: «Efa nataoko kôrbana, izany hoe fanatitra ho an’Andriamanitra, ny zavatra tokony hanasoavako anao»,


Dia nentina niala tao amin’i Kaiafa i Jesoa ho any an-dapan’ny governora. Mbola maraina be ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-dapa anefa ry zareo manampahefana jiosy mba tsy ho voaloto ary mba ho afa-mihinana ny sakafo Paska.


Aoka tsy hisy vehivavy na lehilahy israelita hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra