Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
Matio 27:26 - Baiboly Katolika Tamin’izay dia nalefany i Barabasy, ary i Jesoa nony efa nasainy nokapohina dia natolony azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanafaka an’i Barabasy ho an’ny olona izy; fa Jesosy kosa dia nasainy nokaravasina ary natolony mba hohomboina amin’ny hazofijaliana. DIEM PROTESTANTA Tamin’izay dia nalefan’i Pilato ho azy ireo i Barabasy; fa i Jesoa kosa nasain’i Pilato nokapohina ary natolony mba hohomboana amin’ny hazofijaliana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay dia nalefan’i Pilato ho azy ireo i Barabasy; fa i Jesoa kosa nasain’i Pilato nokapohina ary natolony mba hohomboana amin’ny hazofijaliana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary dia nandefa an’i Barabasy ho an’ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin’ny hazofijaliana. Malagasy Bible Ary dia nandefa an'i Barabasy ho an'ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin'ny hazo fijaliana. La Bible en Malgache Dia nanafaka an’i Barabasy ho an’ny olona izy; fa Jesosy kosa dia nasainy nokaravasina ary natolony mba hohomboina amin’ny hazofijaliana. |
Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
ka hanolotra Azy amin’ny Jentily mba hoesoiny, sy hokapohiny, ary hofantsihana amin’ny Hazofijaliana; fa hitsangana indray Izy amin’ny andro fahatelo.»
dia ho esoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny, fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo.»
Ary noho i Pilaty te-hahazo sitraka amin’ny vahoaka, dia nandefa an’i Barabasy ho azy izy, ary nampikapoka an’i Jesoa sy nanolotra Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana.
Tamin’izay dia natolony azy hofantsihana i Jesoa. Ka noraisin’izy ireo Izy, dia nentiny.
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.