Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 24:43 - Baiboly Katolika

Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fotoam-piambenana amin’ny alina izay hahatongavan’ny mpangalatra dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hovakina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izao no ataovy ao an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny vanim-potoana hiavian’ny mpangalatra amin’ny alina, dia ho niambina izy ary tsy ho namela ny tranony hotamîna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao no ataovy ao an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny vanim-potoana hiavian’ny mpangalatra amin’ny alina, dia ho niambina izy ary tsy ho namela ny tranony hotamîna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin’ny alina izay hihavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fotoam-piambenana amin’ny alina izay hahatongavan’ny mpangalatra dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hovakina.

Jereo ny toko



Matio 24:43
18 Rohy Ifampitohizana  

Ny sasany manamy trano amin’ny alina, miery nony antoandro; tsy mahalala ny fahazavana izy.


Fa tsy ao an-trano ny vadiko, lasa nivahiny lavitra izy.


Ary tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo.


Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano


«Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo.


Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.»


Ary raha mbola nandeha nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana.


Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.»


Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho misasak’alina, na ho maneno akoho, na ho maraina,


Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erỳ fa notohain’ny rivotra, ka tokony ho tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina Izy nankeo aminy, ka saika handalo azy.


Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin’ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.


Ary fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamìna.


Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona.»


Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina sy mitana ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana izy ka ho hita ny fahamenarany. -


Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako ao aminao.