Ireo mavozo handrina hilazanao hoe: ‹Miandrandrà›, dia hovonjen’Andriamanitra izay mietry fijery.
Matio 23:12 - Baiboly Katolika fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra. DIEM PROTESTANTA Fa izay hanandra-tena dia haetry; ary izay hanetry tena dia hasandratra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa izay hanandra-tena dia haetry; ary izay hanetry tena dia hasandratra. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra. Malagasy Bible Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra. La Bible en Malgache Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra. |
Ireo mavozo handrina hilazanao hoe: ‹Miandrandrà›, dia hovonjen’Andriamanitra izay mietry fijery.
Ny fahatahorana an’i Iaveh, no fianarana ny fahendrena; ary ny fanetren-tena no mialoha ny fisandratana.
Ny avonavon’ny olona, mamarina amin’ny fietrena; fa ny manetry tena ao am-po mahazo voninahitra.
Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.
Koa amin’izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Lazaiko aminareo fa ity no nidina efa nohamarinina, tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.»
Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena.
Ary ianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena.
Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin’ny andro voatendriny;