Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 19:23 - Baiboly Katolika

Ary dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: «Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’izay i Jesoa dia niteny tamin’ny mpianany hoe: –Lazaiko marina aminareo fa sarotra amin’ny mpanankarena ny hiditra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izay i Jesoa dia niteny tamin’ny mpianany hoe: –Lazaiko marina aminareo fa sarotra amin’ny mpanankarena ny hiditra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Jereo ny toko



Matio 19:23
25 Rohy Ifampitohizana  

Ho lavo izay mitoky amin’ny harena, fa hitsimoka toy ny ravina kosa ny marina.


Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena, mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy.


ary hoy Izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory.


Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo, satria be ny fananany.


Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitrapon’ny rainy?»: «Ny lahimatoa,» hoy ireo. Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho milaza marina aminareo fa ny Poblikanina sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra»


Fa lazaiko aminareo, fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.


Ary nijerijery manodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe: «Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!»


Koa hoy i Jesoa nony nahita azy nalahelo; «Akory ity hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!


Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.»


Fa hoy i Jesoa: «Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra.


Isan’Eglizy nalehany, nony efa nivavaka sy nifady hanina izy ireo, dia nanendry Pretra, sy nanankina azy tamin’ny Tompo izay efa ninoany.


Jereo, ry kristianina havana, izato ianareo voaantso e: tsy firy no hendry araka ny nofo, tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana!


Ary ianareo kosa, ka ny mahantra indray no alànareo baràka! Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo, sy mitarika anareo ho any amin’ny fitsarana?