Matio 16:1 - Baiboly Katolika Ary nanatona Azy ny Farisianina sy ny Sadoseanina haka fanahy Azy, ka nangataka taminy mba hampiseho aminy famantarana avy any an-danitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nankeo Aminy indray ny Fariseo sy ny Sadoseo dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra. DIEM PROTESTANTA Dia nohatonin’ny Farisianina sy ny Tsadoseanina i Jesoa. Te hamandrika Azy ry zareo ka nangataka Azy hanao famantarana ho porofo fa avy amin’Andriamanitra ny fahefàny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nohatonin’ny Farisianina sy ny Tsadoseanina i Jesoa. Te hamandrika Azy ry zareo ka nangataka Azy hanao famantarana ho porofo fa avy amin’Andriamanitra ny fahefàny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra. Malagasy Bible Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra. La Bible en Malgache Nankeo Aminy indray ny Fariseo* sy ny Sadoseo dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra. |
Tamin’izay nisy mpanora-dalàna sy Farisianina avy tany Jerosalema nanatona Azy ka nanao hoe:
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tandremo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny Sadoseanina ianareo.»
Ary nisy Farisianina nanatona Azy mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe: «Mahazo misao-bady va ny lehilahy, na inona na inona antony?»
Fa i Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe: «Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Tamin’io andro io ihany koa dia nisy Sadoseanina, izay mandà ny fitsanganan’ny maty, tonga nanatona Azy sy nanontany Azy hoe:
nanao hoe: «Efa mipetraka eo amin’ny fipetrahan’i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;
Ny ampitson’iny izay andro fiomanana, dia nivory tany amin’i Pilaty ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina
Fa lazaiko aminareo, fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Nahoana ity Mpampianatrareo no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?»
Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: «Mahazo misao-bady va ny lehilahy?».
Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy: «Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy? Itondray denie iray Aho hozahako.»
Dia ny Sadoseanina izay mandà ny fitsanganan’ny maty kosa indray no nankeo aminy ka nanontany Azy hoe:
Ary indro mpampiana-dalàna anankiray nitsangana haka fanahy Azy ka nanao hoe: «Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?»
Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy.
Fa fantatr’i Jesoa ny hafetsen-dratsin’izy ireo, ka hoy Izy taminy: «Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo?
Dia nanatona koa ny sasany tamin’ny Sadoseanina izay mandà ny fitsanganan’ny maty, ka nanontany Azy hoe:
Izy no nanao izany dia ny hakany fanahy Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika dia nanoratra tamin’ny rantsan-tanany teo amin’ny tany.
Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Piera sy i Joany, dia indreo tonga ny mpisorona maro, sy ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly, ary ny Sadoseanina,
Tamin’izay dia nentin’ny fialonana ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpiandany aminy, dia ny Sadoseanina ireo, ka nisafoaka.