Ary nony ren’i Joany tao an-tranomaizina ny nataon’i Kristy, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy
Matio 14:3 - Baiboly Katolika Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Satria tokoa i Heroda dia efa nisambotra an’i Jaona, dia namatotra azy tao an-tranomaizina, noho ny amin’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny. DIEM PROTESTANTA I Herôda manko no nampisambotra an’i Jôhany ary nampigadra azy sy nampanao azy am-ponja; ny amin’i Herôdiada, vadin’i Filipo rahalahin’i Herôda, no antony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Herôda manko no nampisambotra an’i Jôhany ary nampigadra azy sy nampanao azy am-ponja; ny amin’i Herôdiada, vadin’i Filipo rahalahin’i Herôda, no antony. Baiboly Protestanta Malagasy Fa Heroda efa nisambotra an’i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, noho ny tamin’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny. Malagasy Bible Fa Heroda efa nisambotra an'i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin'i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny. La Bible en Malgache Satria tokoa i Heroda dia efa nisambotra an’i Jaona, dia namatotra azy tao an-tranomaizina, noho ny amin’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny. |
Ary nony ren’i Joany tao an-tranomaizina ny nataon’i Kristy, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy
Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda.
Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda mpanjaka, fa efa nihamalaza ny Anarany. Ary hoy ny sasany: «I Joany Batista nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty izay, ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy»;
Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady.
Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda sy izay niara-nihinana taminy; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: «Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao,»
I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe: «Mitandrema tsara ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.»
Tamin’izany andro izany koa no nisy olona sasany tonga nilaza tamin’i Jesoa ny nanjò an’ireo Galileanina, fa nalatsak’i Pilaty niaraka tamin’ny soron’izy ireo ny rany.
Tamin’izay andro izay ihany dia nisy Farisianina sasany nanatona Azy, ka nanao taminy hoe: «Mandehana miala eo ianao, fa tadiavin’i Herôda hovonoina.»
Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy, ka nony efa nampiakanjoiny akanjo fotsy sy nolalaoviny, dia naveriny tany amin’i Pilaty indray.
ka nony fantany fa hoe avy any amin’ny tany fehezin’i Herôda Izy, dia nampanateriny tany amin’i Herôda, izay tao Jerosalema koa tamin’izany andro izany.
Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara, fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea, i Herôda no tetrarka tany Galilea, i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida, i Lisanià no tetrarka tany Abilena,
i Joana vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i i Herôda, ary i Sozana mbamin’ny maro hafa koa izay nanampy Azy tamin’ny fananany.
Tamin’izany andro izany, dia nasain’i Herôda mpanjaka nosamborina mba hampahoriana ny sasany anisan’ny Eglizy.
Fa efa nikaon-doha marina tokoa teto amin’ity tanàna ity i Herôda sy i Pôntsy Pilaty ary ny Jentily mbamin’ny vahoaka Israely hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao,