Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 14:3 - DIEM PROTESTANTA

3 I Herôda manko no nampisambotra an’i Jôhany ary nampigadra azy sy nampanao azy am-ponja; ny amin’i Herôdiada, vadin’i Filipo rahalahin’i Herôda, no antony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Satria tokoa i Heroda dia efa nisambotra an’i Jaona, dia namatotra azy tao an-tranomaizina, noho ny amin’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 I Herôda manko no nampisambotra an’i Jôhany ary nampigadra azy sy nampanao azy am-ponja; ny amin’i Herôdiada, vadin’i Filipo rahalahin’i Herôda, no antony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Fa Heroda efa nisambotra an’i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, noho ny tamin’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Fa Heroda efa nisambotra an'i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin'i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Satria tokoa i Heroda dia efa nisambotra an’i Jaona, dia namatotra azy tao an-tranomaizina, noho ny amin’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 14:3
18 Rohy Ifampitohizana  

Ren’i Jôhany Mpanao batisa tao am-ponja ny asa nataon’i Jesoa, ka nisy nirahin’i Jôhany ny mpianany


Nony tonga anefa ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada ka nahafaly an’i Herôda.


Nony ren’i Jesoa fa naiditra am-ponja i Jôhany, dia lasa nankany Galilea Izy.


Nandre ny resadresaka maro i Herôda mpanjaka satria efa niely ny lazan’i Jesoa; fa hoy ny olona sasany: –I Jôhany Mpanao batisa, ilay efa maty io, fa velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga.


Ny tenan’i Herôda mihitsy manko no naniraka olona hisambotra an’i Jôhany, ary nampigadra azy tao am-ponja. Ny antony dia ny amin’i Herôdiada, vadin’i Filipo rahalahiny, nefa nalain’i Herôda ho vady.


Dia nanao otri-po tamin’i Jôhany i Herôdiada ka nifofo ny ainy, saingy tsy afa-nanoatra.


Dia niditra ny zanakavavin’i Herôdiada ary nandihy, ka nahafaly an’i Herôda sy ny olona niara-nisakafo taminy. Dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: –Angataho amiko izay tianao na inona na inona, fa homeko anao.


Dia namepetra azy ireo i Jesoa nanao hoe: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran’ny Farisianina sy ny levioran’i Herôda.


Tamin’izay dia nisy olona tonga nitantara tamin’i Jesoa momba ireo Galileanina izay nanolotra sorona ho an’Andriamanitra iny indrindra no novonoin’i Pilato.


Tamin’izay fotoana izay, dia nisy Farisianina sasany nankeo amin’i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Mialà teto ianao ka mandehana any an-kafa, satria fofoin’i Herôda ny ainao.


Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy ka nesoiny sady nampiakanjoiny akanjo mamirapiratra, vao naveriny tany amin’i Pilato.


Nony fantany fa avy amin’ny tany fehezin’i Herôda i Jesoa, dia nalefany any amin’i Herôda izay tao Jerosalema koa tamin’izany andro izany.


Tamin’ny taona faha-15 nanjakan’ny amperôra Tibèry –fony i Pônty Pilato no nifehy an’i Jodea, i Herôda no nanjaka tao Galilea, i Filipo rahalahiny no nanjaka tao Itorea sy Trakônitida, i Lisania no nanjaka tao Abilèna,


sy i Jôhanina, vadin’i Kozà mpitandrim-pananan’i Herôda, ary i Sozanina sy ny maro hafa koa. Ireo vehivavy ireo dia samy nanampy an’i Jesoa sy ny mpianany tamin’ny fananany.


Tamin’izany fotoana izany, dia nasain’i Herôda mpanjaka nosamborina ny olona sasantsasany anisan’ny Fiangonana mba hampahorîna.


Marina tokoa fa i Herôda sy i Pônty Pilato, niaraka tamin’ny olona hafa firenena sy ny vahoaka israelita, dia nivondrona teto amin’ity tanàna ity mba hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina, Izay natokanao ho Mesia.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra