Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana.
Matio 13:19 - Baiboly Katolika Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’ny lanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’ny lanitra, nefa tsy mahazo izay lazaina, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana. DIEM PROTESTANTA Ny olona mahaheno ny teny momba ny Fanjakàn’ny lanitra kanefa tsy mahafantatra, dia ny voa nafafy teny amoron-dalana: avy ilay Ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny olona mahaheno ny teny momba ny Fanjakàn’ny lanitra kanefa tsy mahafantatra, dia ny voa nafafy teny amoron-dalana: avy ilay Ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Baiboly Protestanta Malagasy Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dàlana. Malagasy Bible Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana. La Bible en Malgache Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’ny lanitra, nefa tsy mahazo izay lazaina, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana. |
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana.
Hatao inona ny vola eo an-tanan’ny adala? Hamidy ny fahendrena va? - Tsy azony an-tsaina izany.
Koa iza no itovizanao voninahitra amam-pahalehibeazana, ireo hazon’i Edena? Havarina ianao miaraka amin’ny hazon’i Edena any ambanin’ny tany; hamparina eo amin’ireo tsy voafora, miaraka amin’ireo voatrobaky ny sabatra. Izany no hanjò an’i Faraôna, mbamin’ny vahoakany maro, - teny marin’ny Tompo Iaveh.-
Raha i Satana no mandroaka an’i Satana, dia miady an-trano izy, ka ahoana no haharetan’ny fanjakany?
Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izany,
ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy;
Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nampianatra tao amin’ny sinagogan’ny olona, sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.
Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay ratsy.
Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny; fa raha vao nahare izy, dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony.
ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.
«Inona ny marina?» hoy i Pilaty taminy. Fa nony voalazany izany, dia nivoaka nankeo amin’ny Jody indray izy ka nanao tamin’ireo hoe: «Raha izaho, dia tsy mahita izay helony na dia iray aza;
Ahoana àry no tsy fantatrareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.
Nony nandre izany hoe fitsanganan’ny maty izy ireo, dia nihomehy ny sasany, fa ny sasany kosa nanao hoe: «Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany.»
fa raha izay ady hevitra momba ny fampianarana sy ny anarana, ary ny lalànareo kosa, raharahanareo izany, ka tsy te hitsara an’izany aho.»
«Eny iky, ry olona nalehako nitoriako ny fanjakan’Andriamanitra! fantatro fa tsy hahita ny tarehiko intsony ianareo rehetra.
Dia nanao fotoana taminy izy ireo, ka maro no tonga tao an-trano nitoerany. Teny manetsiketsika no nanehoan’i Paoly ny fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo, hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva; sady ny teny ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny mpaminany manambara an’i Jesoa ihany no nentiny nitaona azy ireo hino Azy.
Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra kosa izy hoentin’ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao,
Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy.
Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin’ny Jentily ny haren’i Kristy tsy hita pesipesenina,
Noho izany, tsy maintsy mikely aina hitandrina tsaratsara kokoa izay efa rentsika isika, fandrao dia voatarika hiala amin’izany.
fa tsy mba hanahaka an’i Kaina izay avy amin’ilay ratsy ka namono nahafaty ny rahalahiny. Ary ahoana moa no namonoany azy? - Dia satria ratsy ny asany, fa ny an’ny rahalahiny kosa dia marina.
Fantatsika fa izay rehetra nateraka avy amin’Andriamanitra dia tsy manota; fa miaro tena izay nateraka avy amin’Andriamanitra, ka tsy mikasika azy ilay Ratsy.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.