Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 13:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Ny olona mahaheno ny teny momba ny Fanjakàn’ny lanitra kanefa tsy mahafantatra, dia ny voa nafafy teny amoron-dalana: avy ilay Ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’ny lanitra, nefa tsy mahazo izay lazaina, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Ny olona mahaheno ny teny momba ny Fanjakàn’ny lanitra kanefa tsy mahafantatra, dia ny voa nafafy teny amoron-dalana: avy ilay Ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’ny lanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dàlana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 13:19
36 Rohy Ifampitohizana  

Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahalalana. Fa ny adala kosa manamavo fahendrena amam-panabeazana.


Hatao inona ny vola eo an-tanan’ny adala? Hamidy fahendrena ve? Tsy manan-tsaina hanao izany izy.


«Tsy nisy hazon’i Hedèna nitovy famirapiratana sy fahalehibiazana taminao. Kanefa hazera any ambanin’ny tany miaraka amin’ireny hazon’i Hedèna ireny ianao, ka hiampatra eo anivon’ireo olona tsy voafora izay maty an’ady. Izany no ho anjaran’ny Farao sy ny mponina marobe rehetra any Ejipta; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Raha i Satàna no mandroaka an’i Satàna, dia miady an-trano izy samy izy; ka ahoana no haharetan’ny fanjakany?


Ny voa nafafy tamin’ny tany be vato dia izay mahaheno ny teny ka mandray azy avy hatrany amin-kafaliana,


ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny olona miaina araka ny Fanjakàn’ny lanitra; ny tsimparifary dia ny olona andevozin’ilay Ratsy;


Ary nitety an’i Galilea manontolo i Jesoa, ka nampianatra tany amin’ny sinagôgan-dry zareo ary nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’ny lanitra sady nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra teo amin’ny vahoaka.


Fa aoka ny teninareo, rehefa eny, dia ho eny; rehefa tsia, dia ho tsia; ny ankoatra izany kosa dia avy amin’*ilay Ratsy.


Ao ny amafazana ny teny eo amoron-dalana: vao mahaheno izy, dia tonga i Satàna manaisotra ny teny voafafy tao aminy.


sitrano izay marary ao ary ny mponina ilazao hoe: «Efa tonga eto aminareo ny Fanjakàn’Andriamanitra.»


ary nirahiny hitory ny Fanjakàn’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary,


Dia hoy i Pilato taminy: –Inona no marina? Avy nanontany izany i Pilato, dia nivoaka nankeo amin’ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: –Izaho dia tsy mahita izay helony, na dia iray aza!


Ahoana no tsy ahazoanareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.


Vao nandre an’i Paoly niteny momba ny fitsanganan’ny maty ireo olona teo amin’ny Areôpazy, dia tao ny naneso azy ary tao kosa ny nilaza hoe: –Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’io zavatra io.


Fa raha voambolana sy anarana ary lalànanareo manokana no iadianareo hevitra, dia raharahanareo; fa izaho tsy te hitsara an’izany.


Noteteziko avokoa ianareo rehetra ka nitoriako ny Fanjakàn’Andriamanitra; fantatro anefa ankehitriny fa tsy hahita ahy intsony ianareo.


Dia nanao fotoana tamin’i Paoly ireo, ka nihamaro ny tonga tamin’ny andro voatendry, tao amin’ny trano nitoerany. Hatramin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro, dia nanao famelabelarana i Paoly; vavolombelona nanambara ny Fanjakàn’Andriamanitra izy ary niezaka nandresy lahatra azy ireo momba an’i Jesoa, tamin’ny teny notsoahany avy amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany.


Nataon’ny olona ho tsinontsinona ny mahalala an’Andriamanitra, ka izany no nanoloran’Andriamanitra azy hoentin’ny sainy mibirioka, mba ho voatarika hanao ny tsy tokony hatao:


Fa tsy izay mihinana na misotro no manana ny Fanjakàn’Andriamanitra, fa izay manao ny marina sy mikatsaka fiadanana ary mifaly ao amin’ny Fanahy Masina.


hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra sy havinirany kosa ireo mpikomy tsy nanaiky hanao izay hitsiny fa nanaiky hanao ny tsy rariny.


Kely noho izay bitika indrindra amin’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra aho, kanefa nomen’Andriamanitra izany tombon-tsoa izany: dia ny hitory amin’ny hafa firenena ny Vaovao Mahafaly momba ny haren’i Kristy tsy hita lany,


hany ka ho voaheloka avokoa izay rehetra tsy nino ilay hafatra marim-pototra fa finaritra nanao ratsy.


Izany no tokony hitandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao voatarika hiala amin’izany isika.


Fa tsy hanao tahaka an’i Kaina izay avy amin’ilay Ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary inona no anton’ny namonoan’i Kaina azy? Dia satria ratsy ny asan’i Kaina, fa marina kosa ny an’ny rahalahiny.


Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota, satria arovan’ilay Zanak’Andriamanitra izy ka tsy voakasik’ilay Ratsy.


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an’ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin’izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra