i Elioda niteraka an’i Eleazara; i Eleazara niteraka an’i Matàna; i Matàna niteraka an’i Jakôba;
Matio 1:16 - Baiboly Katolika ary i Jakôba niteraka an’i Josefa vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Jakoba dia niteraka an’i Josefa, vadin’i Maria; ary i Maria dia niteraka an’i Jesosy, izay atao hoe Kristy. DIEM PROTESTANTA I Jakôba, ray niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria; ary dia i Maria no reny niteraka an’i Jesoa, ilay atao hoe Mesia. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Jakôba, ray niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria; ary dia i Maria no reny niteraka an’i Jesoa, ilay atao hoe Mesia. Baiboly Protestanta Malagasy ary Jakoba niteraka an’i Josefa, vadin’i Maria; ary Maria niteraka an’i Jesosy, Izay atao hoe Kristy. Malagasy Bible ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria; ary Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy. La Bible en Malgache i Jakoba dia niteraka an’i Josefa, vadin’i Maria; ary i Maria dia niteraka an’i Jesosy, izay atao hoe Kristy. |
i Elioda niteraka an’i Eleazara; i Eleazara niteraka an’i Matàna; i Matàna niteraka an’i Jakôba;
Ary tamin’izay, dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin’ny olona fa Izy no Kristy.
Nony lasa ireo, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tamin’ny nofy ka nanao hoe: «Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, ary mandosira any Ejipta dia mitoera any, ambara-pilazako aminao indray; fa i Herôda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.»
ka rehefa nivory ny vahoaka, dia hoy i Pilaty taminy: «Iza no tianareo halefako ho anareo, i Barabasy sa i Jesoa Izay atao hoe Kristy?»
Ary hoy i Pilaty taminy: «Ahoana kosa àry no hataoko amin’i Jesoa Izay atao hoe Kristy?»
Moa tsy io va ilay mpandrafitra, Zanak’i Maria, rahalahin’i Jakôba sy i Josefa ary i Jodà sy i Simôna? Moa tsy atỳ amintsika va ny anabaviny?» Dia tafintohina taminy, izy ireo.
ho any amin’ny Virjiny anankiray fofom-badin’ilay lehilahy atao hoe Josefa, taranak’i Davida, ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria.
Ary nony nahita Azy izy ireo dia gaga, ary hoy ireniny taminy: «Anaka, nahoana Ianao no nanao toy izany taminay? Inty rainao sy izaho malahelo nitady Anao.»
ary niteraka ny Zanany lahy matoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranom-bahiny.
Tokony ho telopolo taona i Jesoa tamin’Izy nanomboka nitory ny Evanjely, dia nataon’ny olona ho zanak’i Josefa, izay zanak’i Helỳ, zanak’i Matata,
Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy ireo: «Tsy ny zanak’i Josefa va ity?»
Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: «Fantatro fa avy ny Mesia (izay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hanambara amintsika ny zavatra rehetra.»