Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 1:16 - DIEM PROTESTANTA

16 I Jakôba, ray niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria; ary dia i Maria no reny niteraka an’i Jesoa, ilay atao hoe Mesia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 i Jakoba dia niteraka an’i Josefa, vadin’i Maria; ary i Maria dia niteraka an’i Jesosy, izay atao hoe Kristy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 I Jakôba, ray niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria; ary dia i Maria no reny niteraka an’i Jesoa, ilay atao hoe Mesia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 ary i Jakôba niteraka an’i Josefa vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 ary Jakoba niteraka an’i Josefa, vadin’i Maria; ary Maria niteraka an’i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria; ary Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 i Jakoba dia niteraka an’i Josefa, vadin’i Maria; ary i Maria dia niteraka an’i Jesosy, izay atao hoe Kristy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 1:16
17 Rohy Ifampitohizana  

I Elihoda, ray niteraka an’i Eleazara; i Eleazara, ray niteraka an’i Matàna; i Matàna, ray niteraka an’i Jakôba.


Dia novalian’i Simôna Petera hoe: –Ianao no ilay Mesia, ny Zanak’ilay Andriamanitra velona!


Tamin’izay dia nofeperan’i Jesoa ny mpianany mba tsy hilazalaza na amin’iza na amin’iza fa hoe Izy no ilay Mesia.


Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa ka nilazany hoe: –Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin’i Herôda ny zazakely mba hamonoany azy.


koa dia ny vahoaka tafavory no nitenenan’i Pilato hoe: –Iza no tianareo halefako ho anareo, i [Jesoa] Barabasy sa i Jesoa ilay atao hoe Kristy?


Dia nanontany azy ireo i Pilato hoe: –Ahoana kosa àry no hataoko amin’i Jesoa, ilay atao hoe Kristy? Fa novalian’izy rehetra hoe: –Aoka Izy hohomboana amin’ny hazofijaliana!


Tsy ilay mpandrafitra ve io, ilay zanak’i Maria sady rahalahin’i Jakôba sy i Jôsèta ary i Joda sy i Simôna? Ary tsy ireto miara-monina amintsika ireto ve ny anabaviny? Dia voasakana hino Azy ry zareo.


hankao amin’ny tovovavy fofombadin’ny lehilahy atao hoe Jôsefa. Io Jôsefa io dia taranak’i Davida mpanjaka; ary i Maria no anaran’ilay tovovavy.


Gaga dia gaga ny ray aman-dreniny nahita Azy, ka hoy ny reniny taminy: –Nahoana, anaka, no nanao toy izao taminay Ianao? Endrey izany tebitebinay sy ny rainao nitady Anao!


Teraka ny lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ary nampandrîny teo amina fihinanam-bilona; fa tsy nisy toerana ho azy telo mianaka tao amin’ny trano fivantanam-bahiny.


Tokony ho telopolo taona i Jesoa fony nanomboka ny asany, ka noheverin’ny olona fa zanak’i Jôsefa, zafin’i Helỳ,


Ary samy vavolombelona niaiky Azy daholo ny olona sady gaga noho ny teny soa naloaky ny vavany, ka hoy izy rehetra hoe: –Tsy zanak’i Jôsefa ve ity?


Dia hoy ravehivavy tamin’i Jesoa: –Fantatro fa misy Mesia anankiray ho avy, dia Ilay atao hoe Kristy! Ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra