Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 2:13 - Baiboly Katolika

13 Nony lasa ireo, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tamin’ny nofy ka nanao hoe: «Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, ary mandosira any Ejipta dia mitoera any, ambara-pilazako aminao indray; fa i Herôda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Nony efa lasa nandeha ireo dia indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tamin’ny nofy ka niteny hoe: Mifohaza ianao, ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Ejipta, koa mitoera any ambara-piteniko aminao; satria i Heroda dia mitady ny Zazakely hovonoiny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa ka nilazany hoe: –Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin’i Herôda ny zazakely mba hamonoany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa ka nilazany hoe: –Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin’i Herôda ny zazakely mba hamonoany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 ARY nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tamin’ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Nony efa lasa nandeha ireo dia indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tamin’ny nofy ka niteny hoe: Mifohaza ianao, ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Ejipta, koa mitoera any ambara-piteniko aminao; satria i Heroda dia mitady ny Zazakely hovonoiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 2:13
29 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany i Adada niara-nandositra tamin’ny Edômita sasany, izay isan’ny mpanompon-drainy, mba ho any Ejipta. Mbola zazalahy tanora i Adada fahizay.


Ary i Iaveh niseho tamin’i Salômôna tamin’ny nofy, nony alina, tany Gabaôna, ka hoy Andriamanitra taminy: «Angataho izay tianao homeko anao.»


Miteny amin’ny nofy, na amin’ny fahitana amin’ny alina Izy, raha ilay sondrian-tory mafy iny ny olona; ka matory eo am-pandriany.


mba hampialany ny olona amin’ny asany tsy mety sy hanesorany azy amin’ny avonavony,


Ary i Faraôna nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: «Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra fa ny zazavavy avelao ho velona.»


Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: «Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,


Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.


Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Herôda, dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.


Mbola alina dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta.


Ary nony efa hitan’i Herôda fa voafitaky ny Majy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazakely rehetra tao Betlehema sy tamin’ny tany manodidina, hatramin’ny roa taona no ho midina, araka ny andro nofotopotorany tamin’ny Majy.


Nony reny anefa fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an’i Herôda rainy, dia natahotra hankany izy, ka nankany Galilea nony efa nilazan’Andriamanitra tamin’ny nofy.


Ary hoy ny navalin’ireo: «I Kôrnely kapiteny, lehilahy marina sy matahotra an’Andriamanitra ary ankasitrahin’ny Jody rehetra, no nahazo teny tamin’ny Anjely masina anankiray mba hampaka anao ho any an-tranony, sy hihaino ny teninao.»


Nony lasa ilay Anjely niteny taminy, dia niantso roa lahy tamin’ny mpanompony i Kôrnely sy miaramila anankiray tia vavaka, anisan’izay nanao raharaha taminy,


Izay vao nahatsiaro fanahy i Piera, ka nanao hoe: «Fantatro ankehitriny fa efa naniraka ny Anjeliny tokoa ny Tompo, ka nanafaka ahy tamin’ny tanan’i Herôda, sy ny fanampoizan’ny vahoaka Jody.»


dia indro nisy Anjelin’ny Tompo sy fahazavana namirapiratra tonga tampoka tao an-tranomaizina; nanohina ny andilan’i Piera ilay Anjely, namoha azy nanao hoe: «Mitsangàna faingana,» dia niala tamin’ny tanany ny rojo vy,


Dia nolazain’ny mpiambina ny tranomaizina tamin’i Paoly izany teny izany. «Naniraka handefa anareo ny lehibe, hoy izy, koa mivoaha ankehitriny, ary mandehana soa aman-tsara.»


Fa nony alina kosa dia nisy Anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny tranomaizina, ka nitondra azy nivoaka sy nanao hoe:


Nanao hafetsen-dratsy tamin’ny firenentsika izany mpanjaka izany, ka nampahory ny razantsika tamin’ny famoretana azy hanary ny zaza vao teraka, mba tsy ho velona ireny.»


Ary raha vao miroboka ao anatin’ny ranon’i Jordany ny faladian-tongotry ny mpisorona mitondra ny fiaran’i Iaveh, Tompon’ny tany rehetra, dia ho tapaka ny ranon’i Jordany, ny midina avy any ambony, ka hihandrona hoatra ny antontan-javatra.»


Nitsatoka tsy nihetsika tamin’ny tany maina teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, nandritra ny nitan’i Israely rehetra tamin’ny tany maina, mandra-pahatafitan’ny firenena an’i Jordany.


Nijanona teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiara, mandra-pahatanteraky ny zavatra nasain’i Iaveh nolazain’i Jôsoe tamin’ny vahoaka, araka izay rehetra nandidian’i Môizy an’i Jôsoe; dia nita faingana ny olona.


Nony niala teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ka vao nikasika ny tany maina ny faladian-tongony, dia nody amin’ny toerany ny ranon’ny ony, toy ny taloha nihoatra ny morona indray.


Nomena ela-boromahery lehibe roa anefa Ravehivavy, mba hanidinany ho any an’efitra amin’ny fitoerany, izay namelomana azy fotoana iray, sy fotoana roa, ary antsasaky ny fotoana, mba tsy hahitan’ilay menarana azy.


Nofinaokany tamin’ny rambony ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra ka nazerany tamin’ny tany. Dia nijoro teo anoloan-dRavehivavy hiteraka izy mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka.


Fa Ravehivavy kosa nandositra nankany an’efitra, fa any no nanamboaran’Andriamanitra toerana ho azy, mba hamelomana azy mandritra ny enimpolo amby roan-jato sy arivo andro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra