Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 9:17 - Baiboly Katolika

fa na aiza na aiza ahazoany azy dia sady akapokapony izy no mandoa vory sy mikitro-nify, fa efa mihamalazolazo erỳ; ary efa nangataka ny mpianatrao handroaka azy aho, fa tsy nahomby izy ireo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nisy iray tamin’ny vahoaka namaly hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ Aminao ny zanako lahy izay manana fanahy moana;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa nisy olona iray tamin’ny vahoaka namaly Azy hoe: –Mpampianatra ô, nentiko eto aminao ny zanako lahy fa azon’ny fanahy mampahamoana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa nisy olona iray tamin’ny vahoaka namaly Azy hoe: –Mpampianatra ô, nentiko eto aminao ny zanako lahy fa azon’ny fanahy mampahamoana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny anankiray tamin’ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny anankiray tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nisy iray tamin’ny vahoaka namaly hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ Aminao ny zanako lahy izay manana fanahy moana;

Jereo ny toko



Marka 9:17
12 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay nisy lehilahy azon’ny demony, sady jamba no moana, nentina teo aminy: dia nositraniny io, ka niteny sy nahita.


Nentiko tamin’ny mpianatrao izy, fa tsy nahasitrana azy izy ireo.»


Nony lasa ireo, dia indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa indray ity lehilahy anankiray sady moana no azon’ny demony.


Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra;


sady nihanta mafy taminy nanao hoe: «Marary efa ho faty ny zanako vavy, ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao, mba ho sitrana sy ho velona izy.»


Jentily avy amin’ny firenena Sirôfenisa ravehivavy, ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin’ny zananivavy.


ka novalian’ny anankiray tamin’ny vahoaka hoe: «Ry Mpampianatra ô, nitondra ny zanako lahy azon’ny demony moana nankatỳ aminao Aho:


Dia niteny i Jesoa nanao hoe: «Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.»


Dia sady ninananàna ny demony no nampifanintontsintona azy mafy vao niala taminy, ka efa toy ny maty ilay zazalahy, ary efa nataon’ny maro hoe maty aza.


Ary nandroaka demony i Jesoa, ka moana izany demony izany. Nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana, ka gaga ny vahoaka;


Dia nisy lehilahy anankiray tao amin’ny vahoaka niantso hoe: «Ry Mpampianatra ô, mihanta aminao aho, mba iantrao lahy ny zanako, dia ny zanako lahy tokana,


ka nony reny fa hoe tonga avy any Jodea ao Galilea i Jesoa, dia nanatona Azy izy ka nangataka Azy hidina hanasitrana ny zanany efa ho faty.