Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 9:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Fa nisy olona iray tamin’ny vahoaka namaly Azy hoe: –Mpampianatra ô, nentiko eto aminao ny zanako lahy fa azon’ny fanahy mampahamoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary nisy iray tamin’ny vahoaka namaly hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ Aminao ny zanako lahy izay manana fanahy moana;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Fa nisy olona iray tamin’ny vahoaka namaly Azy hoe: –Mpampianatra ô, nentiko eto aminao ny zanako lahy fa azon’ny fanahy mampahamoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 fa na aiza na aiza ahazoany azy dia sady akapokapony izy no mandoa vory sy mikitro-nify, fa efa mihamalazolazo erỳ; ary efa nangataka ny mpianatrao handroaka azy aho, fa tsy nahomby izy ireo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary ny anankiray tamin’ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary ny anankiray tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ary nisy iray tamin’ny vahoaka namaly hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ Aminao ny zanako lahy izay manana fanahy moana;

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:17
12 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay dia nisy lehilahy azon’ny demony nentina teo amin’i Jesoa. Jamba sy moana ralehilahy ka nositranin’i Jesoa ary dia niteny sy nahita.


sady nanao hoe: –Tompo ô, mamindrà fo amin’ny zanako lahy! Mararin’ny androbe izy ka mijaly tokoa, fa matetika mianjera any anaty afo na any anaty rano.


Nony lasa izy roa lahy ireo, dia indro nentin’olona teo amin’i Jesoa ity lehilahy azon’ny demony mampahamoana.


Nisy olona maro nitondra ankizy madinika nankeo amin’i Jesoa hametrahany tanana; nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo olona ireo.


sady niangavy azy mafy nanao hoe: –Eo ambavahoanan’ny fahafatesana ny zanako vavy; koa tongava hametra-tanana aminy, dia ho sitrana izy ka ho velona.


Miteny grika ravehivavy sady Sirôfenisianina firazanana; ary niangavy an’i Jesoa izy handroaka ny demony hiala tao amin-janany.


Dia nanontany ireto mpianatra i Jesoa nanao hoe: –Inona izato iadianareo hevitra amin’ny mpahay lalàna?


Ary na aiza na aiza ahazoany azy, dia alavony amin’ny tany ilay zaza ary ataony mandoa vory sy mikitro-nify dia mihinjitra eo. Niangaviako ny mpianatrao handroaka ilay fanahy, kanefa tsy vitany.


Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe: –Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin’io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!


Sendra nandroaka demony mampahamoana tamin’izay i Jesoa. Nony tafavoaka ilay demony, dia niteny ilay moana ka talanjona ny vahoaka.


Ary indro nisy lehilahy anankiray tamin’ny vahoaka nitaraina mafy hoe: –Mpampianatra ô, mihanta aminao aho, mba iantrao re ny zanako, fa lahitokana izy io!


Rehefa reny fa hoe tonga ao Galilea avy tany Jodea i Jesoa, dia nanatona Azy ilay tandapa ary niangavy Azy mba hidina any Kafarnahòma hanasitrana ny zanany lahy efa ho faty.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra