Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 9:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Ary na aiza na aiza ahazoany azy, dia alavony amin’ny tany ilay zaza ary ataony mandoa vory sy mikitro-nify dia mihinjitra eo. Niangaviako ny mpianatrao handroaka ilay fanahy, kanefa tsy vitany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 ary na aiza na aiza no ihetsehan’izany dia ampihinjitrinjiriny amin’ny tany izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka be. Niteny tamin’ny mpianatrao aho mba handroaka izany nefa tsy vitany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ary na aiza na aiza ahazoany azy, dia alavony amin’ny tany ilay zaza ary ataony mandoa vory sy mikitro-nify dia mihinjitra eo. Niangaviako ny mpianatrao handroaka ilay fanahy, kanefa tsy vitany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Dia niteny i Jesoa nanao hoe: «Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin’ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 ary na aiza na aiza no ihetsehan’izany dia ampihinjitrinjiriny amin’ny tany izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka be. Niteny tamin’ny mpianatrao aho mba handroaka izany nefa tsy vitany.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:18
16 Rohy Ifampitohizana  

Am-pahavinirana no amiraviran’Andriamanitra ahy; manao haza lambo ahy Izy sy mikitro-nify amiko. ary mivandravandra miseho ho fahavaloko.


Mahita izany kosa ny olon-dratsy ka sosotra; hikitro-nify izy sady ho rera-po. Ho foana ireo fanirian’ny olon-dratsy.


Ary indro nisy vehivavy kanahanita, avy amin’izany faritany izany, tonga teo amin’i Jesoa sady niantsoantso mafy hoe: –Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida ô; fa ampahorîn’ny demony mafy loatra ny zanako vavy!


Efa nentiko teo amin’ireo mpianatrao, saingy tsy nahasitrana azy ry zareo.


Ireo natao handova ny Fanjakàn’ny lanitra kosa dia horoahina any amin’ny maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify.


Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe: «Mialà eo, ary mianjerà any an-dranomasina», ka tsy misalasala ao am-po, fa mino hoe ho tonga izay lazainy, dia ho tanteraka aminy tokoa.


Fa nisy olona iray tamin’ny vahoaka namaly Azy hoe: –Mpampianatra ô, nentiko eto aminao ny zanako lahy fa azon’ny fanahy mampahamoana.


Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Karazan’olona tsy mino ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!


Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an’i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin’ny tany ary niolanolana sy nandoa vory.


Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon’ny maro hoe maty.


Nony nandre izany teny izany ry zareo tao amin’ny Fitsarana ambony, dia nisafoaka mafy ary nihidy vazana tamin’i Stefàna.


toy ny onjan-dranomasina misamboaravoara ka mamorivory henatra vokatry ny ataony; toy ny tain-kintana mirenireny, ka voatahiry mandrakizay ho an’ny haizina mangitsokitsoka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra