Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 6:14 - Baiboly Katolika

Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda mpanjaka, fa efa nihamalaza ny Anarany. Ary hoy ny sasany: «I Joany Batista nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty izay, ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy»;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nahare izany i Heroda mpanjaka, satria efa nalaza ny anaran’i Jesosy, dia hoy izy hoe: I Jaona Mpanao batisa efa nitsangana tamin’ny maty izany, koa izay no ananany hery hanao izao asa lehibe izao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nandre ny resadresaka maro i Herôda mpanjaka satria efa niely ny lazan’i Jesoa; fa hoy ny olona sasany: –I Jôhany Mpanao batisa, ilay efa maty io, fa velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nandre ny resadresaka maro i Herôda mpanjaka satria efa niely ny lazan’i Jesoa; fa hoy ny olona sasany: –I Jôhany Mpanao batisa, ilay efa maty io, fa velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran’i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin’ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran'i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nahare izany i Heroda mpanjaka, satria efa nalaza ny anaran’i Jesosy, dia hoy izy hoe: I Jaona Mpanao batisa efa nitsangana tamin’ny maty izany, koa izay no ananany hery hanao izao asa lehibe izao.

Jereo ny toko



Marka 6:14
16 Rohy Ifampitohizana  

Nampanao milina tao Jerosalema koa izy, noforonin’ny tompo-marika anankiray, hapetraka any amin’ny tilikambo sy ny zoro-manda, handefasana zana-tsipìka amam-bato lehibe. Lasa lavitra ny lazany, fa nampiana fatratra izy, ka tonga nahery tokoa.


Nitondra fanatitra ho an’i Oziasa ny Amônita, ary niely hatrany akaikin’i Ejipta ny lazany, fa tonga nahery indrindra izy.


Kanjo nony nandeha ireo, dia nampiely ny lazany tamin’izany tany rehetra izany.


Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.


Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangigina Izy, ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.


Ary namaly Azy ireo, nanao hoe: «I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany.»


Tamin’izay andro izay ihany dia nisy Farisianina sasany nanatona Azy, ka nanao taminy hoe: «Mandehana miala eo ianao, fa tadiavin’i Herôda hovonoina.»


Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara, fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea, i Herôda no tetrarka tany Galilea, i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida, i Lisanià no tetrarka tany Abilena,


Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana Azy izany.


Ary namaly ireo ka nanao hoe: «Ny sasany manao hoe i Joany Batista, ny sasany milaza hoe i Elia, ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin’ny mpaminany taloha no nitsangana avy any amin’ny maty.»


Ary tsy tany Masedônia sy Akaia ihany no tongan’ny akon’ny tenin’Andriamanitra avy tany aminareo, fa niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra, ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.


sady Andriamanitra koa efa nankatò Azy tamin’ny famantarana sy fahagagana, ary tamin’ny asa lehibe samihafa mbamin’ny fanomezana nozarazarain’ny Fanahy Masina araka ny sitrapony?