Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 6:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Nandre ny resadresaka maro i Herôda mpanjaka satria efa niely ny lazan’i Jesoa; fa hoy ny olona sasany: –I Jôhany Mpanao batisa, ilay efa maty io, fa velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary nahare izany i Heroda mpanjaka, satria efa nalaza ny anaran’i Jesosy, dia hoy izy hoe: I Jaona Mpanao batisa efa nitsangana tamin’ny maty izany, koa izay no ananany hery hanao izao asa lehibe izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Nandre ny resadresaka maro i Herôda mpanjaka satria efa niely ny lazan’i Jesoa; fa hoy ny olona sasany: –I Jôhany Mpanao batisa, ilay efa maty io, fa velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda mpanjaka, fa efa nihamalaza ny Anarany. Ary hoy ny sasany: «I Joany Batista nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty izay, ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy»;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 ARY nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran’i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin’ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran'i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Ary nahare izany i Heroda mpanjaka, satria efa nalaza ny anaran’i Jesosy, dia hoy izy hoe: I Jaona Mpanao batisa efa nitsangana tamin’ny maty izany, koa izay no ananany hery hanao izao asa lehibe izao.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 6:14
16 Rohy Ifampitohizana  

Nanamboatra milina tao Jerosalema izy izay noforonina manokana mba hapetraka teny amin’ny tilikambo sy teny amin’ny zoron’ny manda ary mba handefasana zana-tsipîka na vato lehibe. Nahagaga ny nanampian’Andriamanitra an’i Hozià, ka tonga nahery tokoa izy sady niely lavitra ny lazany.


Ireto Mehonita ireto aza dia nandoa hetra ho azy. Tonga nahery fatratra i Hozià ka niely laza hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.


Kanjo nony lasa ireo, dia nampiely ny lazan’i Jesoa manerana io faritany io.


Ary poatoizay dia niely eran’ny faritany Galilea manontolo ny lazan’i Jesoa.


Kanjo raha vao niala teo ralehilahy, dia nanao antso avo izay nitranga taminy ary nampiely izany. Koa tsy afa-niditra an-tanàna tamin’ny fomba miharihary intsony i Jesoa; fa dia any amin’ny toerana mangina ivelan-tanàna any foana Izy, kanefa mbola nohatonin’ny olona avy eny rehetra eny.


Dia hoy ny mpianany namaly Azy: –Misy manao hoe i Jôhany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elià; ary ny hafa indray manao hoe anankiray amin’ireo mpaminanin’Andriamanitra.


Tamin’izay fotoana izay, dia nisy Farisianina sasany nankeo amin’i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Mialà teto ianao ka mandehana any an-kafa, satria fofoin’i Herôda ny ainao.


Tamin’ny taona faha-15 nanjakan’ny amperôra Tibèry –fony i Pônty Pilato no nifehy an’i Jodea, i Herôda no nanjaka tao Galilea, i Filipo rahalahiny no nanjaka tao Itorea sy Trakônitida, i Lisania no nanjaka tao Abilèna,


Dia niely eran’i Jodea manontolo mbamin’ny faritany manodidina rehetra ny lazan’i Jesoa.


Dia novalian’ny mpianany hoe: –Misy manao hoe i Jôhany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elià; ary ny hafa indray manao hoe anankiray amin’ireo mpaminanin’Andriamanitra fahizay no miverina!


Nanako avy teo aminareo ny tenin’ny Tompo, ka tsy hoe nanerana an’i Masedônia sy i Akaîa ihany, fa niely hatraiza hatraiza koa ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra; hany ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.


Andriamanitra koa dia niara-nijoro ho vavolombelona tamin’ireo nandre ireo ka niantoka izany tamin’ny famantarana sy zava-mahatalanjona ary ny asa mahagaga isan-karazany, mbamin’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina izay nozarazarain’Andriamanitra araka ny sitrapony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra