Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 6:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Hoy kosa ny sasany: –I Elià io! Ary hoy indray ny hafa: –Mpaminany io, tahaka ny anankiray tamin’ireo mpaminany fahizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Fa hoy ny sasany: I Elia izany; ary hoy ny sasany: Mpaminany sahala amin’ny mpaminany hafa rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Hoy kosa ny sasany: –I Elià io! Ary hoy indray ny hafa: –Mpaminany io, tahaka ny anankiray tamin’ireo mpaminany fahizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 fa ny sasany kosa nanao hoe: «I Elia izay,» ary ny hafa indray dia hoe: «Mpaminany izay, dia toy ny iray amin’ny mpaminany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy, dia toy ny anankiray amin’ny mpaminany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin'ny mpaminany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Fa hoy ny sasany: I Elia izany; ary hoy ny sasany: Mpaminany sahala amin’ny mpaminany hafa rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 6:15
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia novalian’ny mpianany hoe: –Misy manao hoe i Jôhany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elià; ary ny hafa indray manao hoe i Jeremià na anankiray amin’ireo mpaminanin’Andriamanitra. Ary hoy i Jesoa taminy:


Dia novalian’ny vahoaka hoe: –Io no Jesoa mpaminany, Izay avy any Nazareta tanànan’i Galilea!


Dia hoy i Herôda rehefa nandre izany: –I Jôhany Mpanao batisa izay, ilay efa nasaiko notapahina iny ny lohany, kanefa dia izany izy velona izany indray!


Dia hoy ny mpianany namaly Azy: –Misy manao hoe i Jôhany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elià; ary ny hafa indray manao hoe anankiray amin’ireo mpaminanin’Andriamanitra.


Hombàn’ny fanahy aman-kerin’i Elià mpaminany izy ka hialoha ny Tompo, mba hampifandray am-po ny ray aman-dreny sy zanaka sady hamerin-doha ny maditra ho olo-marina feno fahendrena, ary dia hanomana vahoaka vonona handray ny Tompo.


Raiki-tahotra ny olona rehetra sady nanome voninahitra an’Andriamanitra hoe: –Mpaminany lehibe no efa najoron’Andriamanitra eto anivontsika! Ary koa hoe: –Efa namangy ny vahoakany Andriamanitra!


Raha nahita izany ilay Farisianina nampiantrano an’i Jesoa, dia nanao anakampo hoe: «Raha mpaminany tokoa ity, dia ho nahafantatra izay tena toetran’io vehivavy mikasikasika Azy io fa hoe mpanota.»


Dia novalian’ny mpianany hoe: –Misy manao hoe i Jôhany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elià; ary ny hafa indray manao hoe anankiray amin’ireo mpaminanin’Andriamanitra fahizay no miverina!


Ny sasany kosa nanao hoe: –I Elià no miseho! Ny hafa indray nanao hoe: –Ny anankiray tamin’ireo mpaminanin’Andriamanitra fahizay no niverina!


Ary nanontany azy ry zareo hoe: –Ahoana àry? I Elià ve ianao? Dia novaliany hoe: –Tsy izy aho! Ka hoy ireo taminy: –Ilay Mpaminany ve ianao? Fa novaliany hoe: –Tsia!


ka nanontany azy hoe: –Nahoana àry ianao no manao batisa, raha toa tsy ianao no ilay Mesia na i Elià na ilay Mpaminany?


Rehefa nahita ny famantarana nataon’i Jesoa teo ny olona, dia vaky vava hoe: –Ity tokoa ilay Mpaminany voalaza fa tsy maintsy ho tonga amin’izao tontolo izao!


Ny sasany tamin’ny vahoaka, nony nandre ireo teny ireo, dia nanao hoe: –Ity tokoa no ilay Mpaminany!


Ary hoy indray ireto Farisianina tamin’ilay jamba: –Ianao kosa, ahoana no mba ilazanao Azy, raha nampahiratra ny masonao Izy? Ka novaliany hoe: –Mpaminany Izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra