Fa inon’ny atỳ ianao, ary inonao no atỳ, no mihady fasana eto ianao; mihady fasana ho anao eny amin’ny toerana avo ianao; mandoaka fonenana ho anao amin’ny vatolampy ianao?
Marka 15:46 - Baiboly Katolika Dia nividy lamba i Josefa, ka nony efa nampidina ny maty dia namono lamba Azy, sy nandevina Azy tamin’ny fasana nolavahana tamin’ny vato, ary nanakodia ny vato tamin’ny varavaram-pasana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nividy lamba hariry madinika i Josefa dia nampidininy ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny an’ilay lamba hariry madinika ary napetrany tao amin’ny fasana izay voalavaka tao amin’ny vatolampy, dia nanakodia vato teo amin’ny varavaran’ny fasana izy. DIEM PROTESTANTA Dia nividy lamba sarobidy i Jôsefa, ary nampidininy avy teo amin’ny hazofijaliana ny vatan’i Jesoa ka nofonosiny lamba sarobidy ary napetrany tao amin’ny fasana nolavahana tamin’ny vatolampy; dia nanakodiavany vato teo amin’ny vavafasana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nividy lamba sarobidy i Jôsefa, ary nampidininy avy teo amin’ny hazofijaliana ny vatan’i Jesoa ka nofonosiny lamba sarobidy ary napetrany tao amin’ny fasana nolavahana tamin’ny vatolampy; dia nanakodiavany vato teo amin’ny vavafasana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin’ny fasana, izay nolavahana tamin’ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin’ny varavaran’ny fasana izy. Malagasy Bible Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin'ny fasana, izay nolavahana tamin'ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy. La Bible en Malgache Ary nividy lamba hariry madinika i Josefa dia nampidininy ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny an’ilay lamba hariry madinika ary napetrany tao amin’ny fasana izay voalavaka tao amin’ny vatolampy, dia nanakodia vato teo amin’ny varavaran’ny fasana izy. |
Fa inon’ny atỳ ianao, ary inonao no atỳ, no mihady fasana eto ianao; mihady fasana ho anao eny amin’ny toerana avo ianao; mandoaka fonenana ho anao amin’ny vatolampy ianao?
Natao iray fasana tamin’ny ratsy fanahy Izy; ary eo amin’ny mpanan-karena nony efa maty, nefa tsy mba nanao ny tsy marina, ary tsy mba nisy fitaka teo am-bavany.
Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny.
Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny lamba, ary naleviny tao anatin’ny fasana anankiray nolavahana tamin’ny vato, sy tsy mbola nandevenana olona.
Dia niontana indray ny Fon’i Jesoa, ary lasa Izy nankeo amin’ny fasana, izay zohy norakofana vato.
Dia noesoriny ny vato, ka niandrandra i Jesoa sy nanao hoe: «Misaotra Anao Aho, Raiko, satria efa nihaino Ahy Ianao.
Ary tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’ny fasana i Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato.