Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 15:21 - Baiboly Katolika

Ary nisy lehilahy Sireneanina atao hoe Simôna, rain’i Aleksandra sy i Rofosa, nandalo avy any an-tsaha, dia noteren’izy ireo hilanja ny Hazofijaliany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary noterena hitondra ny hazofijalian’i Jesosy ny lehilahy iray izay nandalo avy tany an-tsaha, atao hoe Simona kireniana, rain’i Aleksandra sy i Rofosy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Sendra nandalo avy any an-tsaha ity olona atao hoe Simôna, lehilahy sireneanina, rain-dry i Aleksandra sy i Rofosy, ka noteren’ireo miaramila hitondra ny hazofijalian’i Jesoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Sendra nandalo avy any an-tsaha ity olona atao hoe Simôna, lehilahy sireneanina, rain-dry i Aleksandra sy i Rofosy, ka noteren’ireo miaramila hitondra ny hazofijalian’i Jesoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Simona Kyreniana (rain’i Aleksandro sy Rofosy), izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazofijalian’i Jesosy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Simona Kyreniana (rain'i Aleksandro sy Rofosy) izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary noterena hitondra ny hazofijalian’i Jesosy ny lehilahy iray izay nandalo avy tany an-tsaha, atao hoe Simona kireniana, rain’i Aleksandra sy i Rofosy.

Jereo ny toko



Marka 15:21
12 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa tafavoaka ny tanàna, dia nifanena tamin’ny lehilahy Sireneanina anankiray atao hoe Simôna izy ireo, ka notereny io hilanja ny Hazofijalian’i Jesoa.


ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo.


Nony efa nolalaoviny toy izany Izy, dia noesoriny ny kapaoty jaky teny aminy, ka natafiny Azy indray ny fitafiany. Nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy.


Ary izay tsy mitondra ny Hazofijaliany sy tsy manaraka Ahy dia tsy mety ho mpianatro.»


Ary raha nitondra Azy izy ireo, dia nisy lehilahy Sireneanina anankiray avy any an-tsaha atao hoe Simôna notanany, dia nampitondrainy ny Hazofijaliana nanaraka an’i Jesoa.


Nentin’i Jesoa ny Hazofijaliany, dia tonga teo amin’ny toerana atao hoe Kalvery Izy, na hoe Gôlgôtà amin’ny teny hebrio.


Ny sasany tamin’izy ireo anefa, izay lehilahy avy any Sipra sy Sirena, dia mba nisy niteny tamin’ny Grika ihany nony tonga tao Antiôkia, nitory an’i Jesoa Tompo.


Tao amin’ny Eglizy tany Antiôkia nisy mpaminany sy mpampianatra: dia i Barnabe sy i Simeôna izay atao hoe Mainty, i Lisiosa avy any Sirena, sy i Manahena izay niolo-nono tamin’i Herôda Tetrarka, ary i Saoly.


Frijia, Panfilia, Ejipta, ary ny any Libia akaikin’i Sirena, sy ny vahiny avy any Rôma,


Fa ny sasany avy amin’ny sinagogan’ny Libertinina, sy ny an’ny Sireneanina sy ny Aleksandrinina mbamin’ny Jody avy any Silisia sy Azia dia nitsangana niady hevitra tamin’i Etienina,


Veloma any amin’i Rofosa olo-malaza ao amin’ny Tompo, sy any amin-dreniny izay reniko koa.