Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 15:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Sendra nandalo avy any an-tsaha ity olona atao hoe Simôna, lehilahy sireneanina, rain-dry i Aleksandra sy i Rofosy, ka noteren’ireo miaramila hitondra ny hazofijalian’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary noterena hitondra ny hazofijalian’i Jesosy ny lehilahy iray izay nandalo avy tany an-tsaha, atao hoe Simona kireniana, rain’i Aleksandra sy i Rofosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Sendra nandalo avy any an-tsaha ity olona atao hoe Simôna, lehilahy sireneanina, rain-dry i Aleksandra sy i Rofosy, ka noteren’ireo miaramila hitondra ny hazofijalian’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Ary nisy lehilahy Sireneanina atao hoe Simôna, rain’i Aleksandra sy i Rofosa, nandalo avy any an-tsaha, dia noteren’izy ireo hilanja ny Hazofijaliany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary Simona Kyreniana (rain’i Aleksandro sy Rofosy), izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazofijalian’i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary Simona Kyreniana (rain'i Aleksandro sy Rofosy) izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Ary noterena hitondra ny hazofijalian’i Jesosy ny lehilahy iray izay nandalo avy tany an-tsaha, atao hoe Simona kireniana, rain’i Aleksandra sy i Rofosy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 15:21
12 Rohy Ifampitohizana  

Vao tafavoaka ny tanàna ireo miaramila, dia tojo lehilahy sireneanina atao hoe Simôna, ka nanery azy hitondra ny hazofijalian’i Jesoa.


Raha misy manery anao hitondra entana mandritra ny lalana iray kilaometatra, miaraha aminy mandritra ny lalana roa kilaometatra.


Rehefa avy nanao Azy toy izany ry zareo, dia nesoriny ilay lamba jaky teny aminy ary nampanaoviny Azy indray ny akanjony; dia nentiny nivoaka ny lapa Izy hohomboana amin’ny hazofijaliana.


Izay tsy mizaka ny hazofijaliany ary tsy miaraka amiko, dia tsy afaka ho mpianatro.


Ary raha nitondra an’i Jesoa hovonoina ireo miaramila, dia sendra an’i Simôna lehilahy sireneanina nody avy tany an-tsaha; notanany ralehilahy ka notereny hankeo aorian’i Jesoa, hanampy Azy hitondra ny hazofijaliana.


Ary ny tenan’i Jesoa no nitondra ny hazofijaliany, ka niainga ho any amin’ny toerana atao hoe Ikarandoha, na hoe Gôlgôtà amin’ny teny hebreo.


Nisy ihany mpino sasantsasany avy any Sipra sy avy any Sirena izay tonga tany Antiôkia ka niteny tamin’ireo Grika koa, ary nanambara ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa Tompo.


Nisy mpaminany sy mpampianatra maro tao amin’ny Fiangonana tany Antiôkia: dia i Barnabà, i Simehôna (izay atao hoe Imainty), i Losio avy any Sirena, i Manahema (izay niolo-nono sy niara-nilalao tamin’i Herôda mpanjaka) ary i Saoly.


Frijia sy Pamfilia; ao koa ny avy any Ejipta mbamin’ny faritanin’i Sirena any Libia; ary misy ny mpivahiny avy any Rôma;


Nisy anefa olona sasany nanohitra azy: dia olona avy amin’ny sinagôgan’ny Libertina, sy ny sinagôgan’ny Aleksandrianina mbamin’ny sinagôgan’ireo terak’i Silisia sy ny faritany Azia. Niady hevitra tamin’i Stefàna izy rehetra ireo,


Veloma any amin’i Rofosy, izay namiratra tokoa tamin’ny fanompoana ny Tompo, ary any amin’ny reniny izay reny ho ahy koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra