Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Marka 15:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Rehefa avy nanao Azy toy izany ry zareo, dia nesoriny ilay lamba jaky teny aminy ary nampanaoviny Azy indray ny akanjony; dia nentiny nivoaka ny lapa Izy hohomboana amin’ny hazofijaliana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Rehefa avy nanao Azy ho fihomehezana izy ireo dia nesoriny Taminy ilay lamba volomparasy ka nampitafiany Azy indray ny akanjony. Dia noentin’ireo hohomboany amin’ny hazofijaliana Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Rehefa avy nanao Azy toy izany ry zareo, dia nesoriny ilay lamba jaky teny aminy ary nampanaoviny Azy indray ny akanjony; dia nentiny nivoaka ny lapa Izy hohomboana amin’ny hazofijaliana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Nony efa nolalaoviny toy izany Izy, dia noesoriny ny kapaoty jaky teny aminy, ka natafiny Azy indray ny fitafiany. Nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin’ny hazofijaliana Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin'ny hazo fijaliana Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 15:20
4 Rohy Ifampitohizana  

Nony avy naneso Azy toy izany ireo miaramila, dia nesorin’ireo ny akanjobe teny aminy ka nampanaoviny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny Izy hohomboana amin’ny hazofijaliana.


Ary nokapohiny tamin’ny volotara ny lohany sady nororany Izy, dia nandohalihany sy niankohofany teo anatrehany.


Sendra nandalo avy any an-tsaha ity olona atao hoe Simôna, lehilahy sireneanina, rain-dry i Aleksandra sy i Rofosy, ka noteren’ireo miaramila hitondra ny hazofijalian’i Jesoa.


Tamin’izay dia natolotr’i Pilato azy ireo i Jesoa mba hohomboana amin’ny hazofijaliana. Dia noraisin’ny Jiosy i Jesoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra