Marka 10:49 - Baiboly Katolika Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe: «Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nijanona Jesosy ka niteny hoe: Antsoy ilay jamba. Ary niantso azy ny olona ka niteny taminy hoe: Matokia, mitsangàna fa miantso anao Izy. DIEM PROTESTANTA Ary nijanona i Jesoa ka nilaza hoe: –Antsoy izy! Dia nantsoin’ny olona ilay jamba nataony hoe: –Mahereza, antsoiny ianao ka mitsangàna! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nijanona i Jesoa ka nilaza hoe: –Antsoy izy! Dia nantsoin’ny olona ilay jamba nataony hoe: –Mahereza, antsoiny ianao ka mitsangàna! Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy. Malagasy Bible Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy. La Bible en Malgache Dia nijanona Jesosy ka niteny hoe: Antsoy ilay jamba. Ary niantso azy ny olona ka niteny taminy hoe: Matokia, mitsangàna fa miantso anao Izy. |
Fa Ianao kosa, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be indrafo amam-pahamarinana.
Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: «Matokia, anaka, fa voavela ny helokao.»
Dia nijanona i Jesoa, ka nasainy nentina mankeo aminy izy. Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe:
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia lasa niantso mangingina an’i Maria rahavaviny nanao hoe: «Ao ny Tompo, ka miantso anao Izy.»
Ka izany no tsy maintsy nanaovana Azy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po Izy sy Mpisorona mahatoky ny amin’Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan’ny olona;
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.