Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An’Andriamanitra ny fahefana.
Marka 10:48 - Baiboly Katolika Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: «Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso mafy izy hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko! DIEM PROTESTANTA Norahonan’ny olona maro izy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe: –Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Norahonan’ny olona maro izy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe: –Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko! Baiboly Protestanta Malagasy Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko. Malagasy Bible Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. La Bible en Malgache Maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso mafy izy hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko! |
Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An’Andriamanitra ny fahefana.
Tamin’izay dia nisy zazakely maromaro nentina teo aminy, mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy; fa noraran’ny mpianany mafy ireo.
Norahonan’ny vahoaka izy ireo mba hangina, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: «Ry Tompo, Zanak’i Davida ô! mamindra fo aminay.»
Ary nony niala teo i Jesoa, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy, sady niantso mafy nanao hoe: «Ry Zanak’i Davida ô! mamindrà fo aminay.»
Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra;
Raha mbola niteny i Jesoa, dia tonga ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagoga ka nanao taminy hoe: «Maty ny zanakao vavy, ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?»
Noraran’izay teo aloha izy mba hangina, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe: «Ry Zanak’i Davida ô! mamindrà fo amiko e!»
Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra;
Tamin’ny andron’ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,