Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 10:48 - DIEM PROTESTANTA

48 Norahonan’ny olona maro izy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe: –Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

48 Maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso mafy izy hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

48 Norahonan’ny olona maro izy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe: –Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

48 Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: «Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

48 Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

48 Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

48 Maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso mafy izy hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 10:48
15 Rohy Ifampitohizana  

Izao no tenin’Andriamanitra fandreko matetika: «Ahy ny hery!»


Raha mikatsaka Ahy ianareo, dia hahita Ahy. Izaho TOMPO dia manao teny hentitra aminareo hoe: Raha tadiavinareo amin’ny fonareo manontolo Aho, dia hanaiky ho hitanareo. Hanova izay manjo anareo Aho, ka havoakako avy any amin’ny firenen-kafa ianareo. Hangoniko ianareo ka haveriko eto amin’ny toerana izay nandefasako anareo ho babo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›


Tamin’izay dia nisy ankizy madinika maro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa hametrahany tanana sy hivavahany. Notenenin’ny mpianatra mafy ireo olona ireo,


Norahonan’ny vahoaka izy roa lahy hangina, kanefa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe: –Ry Tompo, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!


Raha niala teo i Jesoa, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: –Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!


Nisy olona maro nitondra ankizy madinika nankeo amin’i Jesoa hametrahany tanana; nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo olona ireo.


Raha mbola niteny i Jesoa, dia nisy iraka tonga avy tany an-tranon’ity lehiben’ny sinagôga ka nanao tamin’i Jaîro hoe: –Efa maty ny zanakao vavy, ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?


Norahonan’ireo olona lohalalana ralehilahy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe: –Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!


Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian’Andriamanitra amin’izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan’ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin’io tanjona io, ary dia mivavaha ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra.


I Jesoa, fahavelony teto an-tany, dia nanolotra fivavahana sy fitalahoana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Andriamanitra, Izay afa-mamonjy Azy tsy hiharan’ny fahafatesana; ary dia nohenoin’Andriamanitra izy, ka afaka tamin’ny tahotra ny ho faty.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra