Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 10:47 - DIEM PROTESTANTA

47 Reny fa i Jesoa avy any Nazareta izay, ka nanomboka niantsoantso mafy izy hoe: –Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

47 Nony reny fa injay Jesosy avy any Nazareta dia niantso mafy izy hoe: Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

47 Reny fa i Jesoa avy any Nazareta izay, ka nanomboka niantsoantso mafy izy hoe: –Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

47 Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay, dia rafitra niantso Izy nanao hoe: «Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

47 Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

47 Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

47 Nony reny fa injay Jesosy avy any Nazareta dia niantso mafy izy hoe: Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 10:47
24 Rohy Ifampitohizana  

Misy rantsana misandrahaka avy amin’ny fototr’i Jisay; misy solofo mipoitra avy amin’ny fakany.


Fitanisana ny razan’i Jesoa Kristy, taranak’i Davida, dia i Davida taranak’i Abrahama.


Talanjona ny vahoaka rehetra sady vaky vava hoe: –Tsy ity ve ny Zanak’i Davida?


Ary indro nisy vehivavy kanahanita, avy amin’izany faritany izany, tonga teo amin’i Jesoa sady niantsoantso mafy hoe: –Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida ô; fa ampahorîn’ny demony mafy loatra ny zanako vavy!


Ary nony tonga tany izy telo mianaka, dia niorim-ponenana tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta; koa tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: «Hantsoina hoe Nazareanina Izy!»


Ary indreo nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana. Reny fa hoe i Jesoa no nandalo, ka niantsoantso mafy izy roa lahy nanao hoe: –Ry Tompo, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!


Dia novalian’ny vahoaka hoe: –Io no Jesoa mpaminany, Izay avy any Nazareta tanànan’i Galilea!


Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia samy niantsoantso hoe: «Dera anie ho an’ny Zanak’i Davida! Hombam-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy! Dera anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra!»


Dia lasa nankeo am-bavahady i Petera; kanjo nisy vehivavy mpiasa anankiray hafa nahatazana azy ary niteny tamin’izay teo hoe: –Io rangahy io koa niaraka tamin’i Jesoa, Ilay avy any Nazareta.


Raha niala teo i Jesoa, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: –Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!


ka niantsoantso mafy hoe: –Fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin’Andriamanitra e!


Nandeha tany Nazareta tanàna nahabe Azy i Jesoa ary tamin’ny andro sabata dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony. Nitsangana Izy hamaky ny Soratra Masina


Ary hoy i Natanaela taminy: –Moa mba mety hisy zava-tsoa ve avy any Nazareta? Dia novalian’i Filipo hoe: –Ndao ianao hizaha!


Nampanao soratra kosa i Pilato, ary nasainy napetaka teo an-dohan’ny hazofijalian’i Jesoa; ka izao no voasoratra: «I Jesoa avy any Nazareta, ilay Mpanjakan’ny Jiosy.»


Ny sasany nanao hoe: –Ity no ilay Mesia! Ny sasany kosa nanao hoe: –Fa angaha avy any Galilea no iavian’ny Mesia?


Dia novalian’ireo hoe: –Ianao koa angaha mba avy any Galilea? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany mipoitra avy any Galilea! [


satria efa renay nilaza fa hoe i Jesoa avy any Nazareta dia handrodana ity tempoly ity ary hanova ny fanao natolotr’i Mosesy antsika.


«Izaho Jesoa dia efa naniraka ny anjeliko hijoro vavolombelona aminareo ka hanambara izany zavatra izany eo anivon’ireo Fiangonana. Izaho no solofo sy taranak’i Davida, ary kintana fitarikandro mamirapiratra.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra