Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 10:27 - Baiboly Katolika

Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe: «Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin’Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa Jesosy nijery azy ka niteny hoe: Raha amin’ny olona dia zavatra tsy hainy izany, fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa nojeren’i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe: –Raha amin’ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba toy izany amin’Andriamanitra. Raha amin’Andriamanitra manko, dia hainy avokoa ny zava-drehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa nojeren’i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe: –Raha amin’ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba toy izany amin’Andriamanitra. Raha amin’Andriamanitra manko, dia hainy avokoa ny zava-drehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin’ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa Jesosy nijery azy ka niteny hoe: Raha amin’ny olona dia zavatra tsy hainy izany, fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.

Jereo ny toko



Marka 10:27
15 Rohy Ifampitohizana  

Mbola zavatra kely eo imason’i Iaveh anefa izany: hatolony eo an-tananareo i Moaba,


Fa namaly an’ity olon’Andriamanitra ilay manamboninahitra nitehenan’ny mpanjaka tamin’ny tanany, ka nanao hoe: «Aiza ka dia ho tanteraka izany; na dia hanao varavarankely amin’ny lanitra aza i Iaveh?» Dia hoy i Elisea: «Ho hitan’ny masonao izany, nefa tsy mba hihinananao.»


«Fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy misy hevitra sarotra ho Anao.


«Eny iky, ry Iaveh Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany, tamin’ny hery lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, tsy misy zavatra tsy hainao atao.


Izaho no Iaveh Andriamanitry ny nofo rehetra; moa amiko va hisy zavatra tsy azo atao?


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Amin’izany andro izany, na hiseho ho zava-mahagaga aza izany eo imason’izay sisa amin’ity firenena ity, moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany.» - teny marin’i Iavehn’ny tafika? -


Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.»


Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: «Iza àry no mety ho voavonjy?»


fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao.»


Ka hoy ny navaliny: «Izay tsy azon’ny olona atao, dia azon’Andriamanitra atao.»


Izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin’ny Vatany be voninahitra, araka ny herin’ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra rehetra.


satria ninoany fa na dia maty aza izy dia hain’Andriamanitra atsangana, ka dia noraisiny indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany.


Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.