Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama i Iaveh nanao hoe: «Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany;
Malakia 3:6 - Baiboly Katolika Noho Izaho Iaveh tsy miova, no tsy nahafongotra anareo, ry taranak’i Jakôba. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa Izaho TOMPO dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak’i Jakoba, dia tsy fongana. DIEM PROTESTANTA «Eny, Izaho TOMPO dia tsy miova; fa tsy mitsahatra kosa ny maha taranak’i Jakôba anareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Eny, Izaho TOMPO dia tsy miova; fa tsy mitsahatra kosa ny maha taranak’i Jakôba anareo. Baiboly Protestanta Malagasy Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary hianareo, ry taranak’i Jakoba, dia tsy fongana. Malagasy Bible Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana. La Bible en Malgache Fa Izaho TOMPO dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak’i Jakoba, dia tsy fongana. |
Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama i Iaveh nanao hoe: «Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany;
Ary hoy izy taminy: «Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.»
«Efa nianiana tamin’ny tenako Aho, hoy i Iaveh, fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao, ho Ahy,
Ho velona ireo, fa Ianao kosa maharitra, hihatonta toy ny fitafiana ireo; hanova azy toy ny lamba Ianao, ka ho voaova izy.
Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo,
Mamindra fo anefa Izy; mamela ny fahotana ary tsy mandringana; nanindry ny hatezerany matetika, ary tsy nanarana ny fahavinirany rehetra.
Fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, mitantana anao amin’ny tanana ankavanana, milaza aminao hoe: «Aza matahotra, Izaho no tonga mamonjy anao.»
Izao no lazain’i Iaveh, mpanjakan’i Israely sy mpanavotra azy, dia i Iavehn’ny tafika: «Izaho no voalohany, ary Izaho no farany, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Tsy hiova Aho hatramin’ny fahanteranareo, fa hanohana anareo mandra-pahafotsy volo anareo. Efa nanao izany Aho, ka mbola hitondra anareo; hanohana anareo sy hanafaka anareo.»
Tsy hanarana ny firehetan’ny hatezerako Aho, tsy horavako fanindroany i Efraima. Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olombelona; eo afovoanao ilay Masina, ka tsy ho tonga Aho mitondra ny fisafoahako.
Moa tsy hatramin’ny fiandohana va Ianao, ry Iaveh Andriamanitro, ilay Màsiko? Tsy ho faty izahay. Iaveh ô, ny nanorenanao izany vahoaka izany dia hahatanteraka ny rariny, ny mba hamay no nanaovanao mafy orina azy, ry Vatolampiko.
Tsy olombelona Andriamanitra ka handainga, Na zanak’olombelona ka hanenina. Moa mba milaza fotsiny va izy fa tsy manatanteraka, Na miteny ihany fa tsy manefa?
Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
mba ho zavatra roa tsy manam-piovana sy tsy hain’Andriamanitra amitahana antsika no hahazoantsika fanalana alahelo mahery; fa efa mihazakazaka isika hihazona ny fanantenana natolotra antsika.
Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.
Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.
Tsy mba mandainga ilay famirapiratan’i Israely ary tsy mba manenina Izy satria tsy olombelona Izy ka hoe hanenina».