Fa hoy kosa i Mikea: «Tsy niteny tamin’ny alalako i Iaveh matoa tafaverina soa aman-tsara ianao.» Sady nampiany hoe: «Samia mihaino izany ianareo vahoaka rehetra.»
Malakia 2:9 - Baiboly Katolika Koa Izaho kosa, dia efa nahatonga anareo ho faniratsira sy tsinontsinona eo imason’ny vahoaka rehetra, satria tsy nitandrina ny lalako ianareo, sady mizaha tavan’olona amin’ny fampiharana ny lalàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan’ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan’olona eo amin’ny fampiharanareo ny lalàna. DIEM PROTESTANTA Koa dia hampirisihiko ny vahoakan’i Israely rehetra haniratsira sy hanao tsinontsinona anareo, satria tsy nitandrina ny sori-dalako ianareo sady nizaha tavan’olona tamin’izay fanapahan-kevitrareo». Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa dia hampirisihiko ny vahoakan’i Israely rehetra haniratsira sy hanao tsinontsinona anareo, satria tsy nitandrina ny sori-dalako ianareo sady nizaha tavan’olona tamin’izay fanapahan-kevitrareo». Baiboly Protestanta Malagasy Ary Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan’ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny làlako sy ny nizahanareo tavan’olona ny amin’ny lalàna. Malagasy Bible Ary Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan'ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan'olona ny amin'ny lalàna. La Bible en Malgache Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan’ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan’olona eo amin’ny fampiharanareo ny lalàna. |
Fa hoy kosa i Mikea: «Tsy niteny tamin’ny alalako i Iaveh matoa tafaverina soa aman-tsara ianao.» Sady nampiany hoe: «Samia mihaino izany ianareo vahoaka rehetra.»
Ny fahatsiarovana ny marina, dia ankasitrahana azy, fa ny anaran’ny ratsy fanahy kosa, lo no alehany.
Araka ny haben’ny fahalalany, no anombanana ny olona; nefa izay ratsy fo, dia atao tsinontsinona.
Hotriariko ny ondanareo; ary hotsoahiko eo amin’ny tananareo ny vahoakako; ka tsy ho haza eny an-tananareo intsony izy; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
Ho avy ny loza tsindrian-doza, sy filazana vaovao tsindriam-pilazana; ka hitady fahitana amin’ny mpaminany izy ireo; ary tsy ho eo amin’ny mpisorona ny lalàna, na ny torohevitra eo amin’ny loholona.
Ny mpifehy ao aminy, mitsara noho ny kolikoly, ary ny mpisorona, mampianatra noho ny karama, ary ny mpaminany, maminany noho ny vola, ary miankina amin’i Iaveh izy manao hoe: Moa tsy eto amintsika va i Iaveh? Tsy mety hanjò antsika ny loza!
Indro hataoko tsy maniry ny voa afafy, afafiko amin’ny tavanareo ny tain-drorona, dia ny tain-drorohan’ny fetinareo, ka hailiky ny olona miaraka amin’izany ianareo.
Fa ianareo kosa nivily lalana, nanafintohina olona maro tamin’ny lalàna, ary namadika ny fanekena tamin’i Levì hoy i Iavehn’ny tafika.
Fa mila loza ianareo, ry Farisianina, satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa.
Ny amin’ireo nanan-kaja kosa, na ahoana na ahoana halehibeny, dia tsy mampaninona ahy izany, fa Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona, ka tsy nandidy na inona na inona tamiko ireo olona nanan-kaja ireo.
Aza mizaha tavan’olona amin’ny fitsarànareo; henoy toy ny lehibe ny kely; aza matahotra olona na iza na iza, fa an’Andriamanitra ny fitsarana; ary izay zavatra sarotra loatra aminareo, ento aty anatrehako ho henoko.
Noho izany, izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Fa efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy i Iaveh. Fa izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa.