Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Malakia 2:8 - Baiboly Katolika

8 Fa ianareo kosa nivily lalana, nanafintohina olona maro tamin’ny lalàna, ary namadika ny fanekena tamin’i Levì hoy i Iavehn’ny tafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Fa efa nivily lalana kosa ianareo sady nanafintohina olona maro ny amin’ny lalàna ary namadika ilay fanekena tamin’i Levy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Fa ankehitriny efa nivily lalana ianareo mpisorona, ka nahasolafaka olona maro tamin’ny fampianaranareo. Noravanareo noho izany koa ny fanekempihavanako taminareo, hoy Izaho Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Fa ankehitriny efa nivily lalana ianareo mpisorona, ka nahasolafaka olona maro tamin’ny fampianaranareo. Noravanareo noho izany koa ny fanekempihavanako taminareo, hoy Izaho Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa hianareo kosa dia efa nivily làlana sady nampahatafintohina olona maro ny amin’ny lalàna ary namadika ny fanekena amin’i Levy, hoy Jehovah; Tompon’ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa ianareo kosa dia efa nivily lalana sady nampahatafintohina olona maro ny amin'ny lalàna ary namadika ny fanekena amin'i Levy, hoy Jehovah; Tompon'ny maro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Fa efa nivily lalana kosa ianareo sady nanafintohina olona maro ny amin’ny lalàna ary namadika ilay fanekena tamin’i Levy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy




Malakia 2:8
34 Rohy Ifampitohizana  

Ka naorin’i Oriasa mpisorona ny ôtely, ary nataon’i Oriasa mpisorona mitovy indrindra amin’ny môdely nampitondrain’i Akaza mpanjaka, avy any Damasa, nataony vita mandra-pahatongan’i mpanjaka avy any Damasa.


Tsarovy izy ireo, ry Andriamanitra ô, ny amin’ny nanalany baraka ny fisoronana sy ny andraikitra masin’ny mpisorona sy ny Levita!


Tsy mba miala amin’ny didinao aho, fa Ianao no nampianatra ahy.


Novalian’i Iaveh aho araka ny fahamarinako, novaliany araka ny fahadiovan’ny tanako.


Araka ny haben’ny fahalalany, no anombanana ny olona; nefa izay ratsy fo, dia atao tsinontsinona.


Mialà amin’ny lalana, ivilio ny lalana, esory eo imasonay ilay Masin’i Israely!»


dia ny nivadika sy nandà an’i Iaveh, nihataka nanalavitra ny Andriamanitray, niteny fampahoriana amam-pikomiana; namorona sy namoaka lainga avy ao am-ponay!...


Noho izany ny zatovon’izy ireo tsy ankasitrahin’ny Tompo, ary ny kamboty amam-mpitondratenany, tsy ananany antra; satria izy rehetra dia samy mpankahala fivavahana sy ratsy fanahy avokoa, ary ny lela rehetra mamoaka fankahalana ny fivavahana avokoa. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.


fanantenan’i Israely, Iaveh ô, ho menatra izay rehetra mahafoy anao! Hosoratana amin’ny tany izay miala amiko, satria nandao ny lohan’ny rano velona, Iaveh, izy ireo.


Izao no lazain’i Iaveh: «Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’i Iaveh ny fony!


Fa ny oloko kosa efa nanadino Ahy; ny tsinontsinona no tolorany emboka manitra, ka avezivezin’ny sampy izy ireo eny amin’ny lalany, dia amin’ny lalana fahataloha, handehanany amin’ny sakeli-dalana, dia amin’ny lalana tsy voasoritra;


Ny mpisorona tsy nanao hoe: ‹Aiza i Iaveh?› ny mpitan-dalàna, tsy nahalala Ahy: ny mpitondra, nivadika tamiko; ary ny mpaminany, naminany tamin’ny anaran’i Baala, ka nanaraka ny tsy mahasoa na inona na inona izy ireny.


Ny mpisorony, nandika ny lalàko, nandoto ny fitoerako masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina; tsy mampianatra ny mahasamy hafa ny maloto sy ny madio, mamily maso tsy hijery ny sabatako; ary tsiratsiraina Aho, eo afovoan’izy ireo.


Izao koa: Ireo levita nanalavitra Ahy, tamin’ny andro nivilian’i Israely, izay nivily nanalavitra Ahy, mba hanarahany ny sampiny vetaveta, dia hitondra ny helony.


Noho izy ireo nanompo azy teo anoloan’ny sampiny vetaveta, sy nandatsaka ny taranak’i Israely tamin’ny heloka, noho izany, dia efa nanangan-tanana hamely azy Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - nianiana fa hitondra ny helony izy.


dia ny nitondranareo ny taranaky ny hafa firenena, tsy mifora fo na mifora nofo akory, ho eo amin’ny fitoerako masina, mba handoto ny tranoko, tamin’ny nanateranareo ny anjara haniko, na ny sabora na ny ra; ka dia nivadika ny fanekeko ireo, tamin’ny fahavetavetanareo rehetra.


Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako; noho ianao nanary ny fahalalana, dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao. Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao; ka hanadino ny zanakao koa Aho.


Tsy hanao izay hanala baraka ny taranany eo amin’ny fireneny izy, fa Izaho no Iaveh manamasina azy.»


Ny mpaminaniny vavàna sady olona mamitaka; ny mpisorony mandoto ny zava-masina sy mandika ny lalàna.


Ny zanaka manaja ny rainy, ny mpanompo manaja ny tompony. Koa raha Ray Aho, aiza izay hajako? Ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy i Iavehn’ny tafika aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny Anarako. Hoy ianareo:


Ny fanekeko tamin’i Levi, dia fiainana amam-piadanana, ary nomeko azy izany soa izany; ary fanekem-pahatahorana, ka dia natahotra Ahy, sy nangovitra teo anatrehan’ny Anarako izy.


Koa noho izany dia ilazao izy fa homeko ny fanekem-pihavanako;


dia ho faneken’ny fisoronana mandrakizay, ho azy sy ny taranany mandimby azy, noho izy saro-piaro ho an’Andriamaniny, sy nanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely.»


Ny tsara, dia tsy mihinan-kena, na misotro divay, na manao na inona na inona izay hahatafintohina, na hahalavo, na hahalemy ny mpiray finoana aminao.


dia tandremo, ry kristianina havana, fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo, ka ho tafasaraka amin’Andriamanitra velona;


Ka dia heloka be vava teo anatrehan’i Iaveh ny an’ireo zatovo ireo, satria nahatarika fanaratsiana ny fanatitra ho an’i Iaveh izany olona izany.


Tsia, anaka, tsy tsara ny vavam-bahoaka reko; fa mampanota ny vahoakan’i Iaveh.


Noho izany, izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Fa efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy i Iaveh. Fa izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra