Levitikosy 9:10 - Baiboly Katolika Nodorany hanetona teo ambonin’ny ôtely ny saborany, ny voany, ny saboran’atiny, tamin’ny sorona noho ny ota, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny jaborany sy ny voany roa ary ny ila atiny lehibe avy tamin’ny fanatitra fanadiovana dia nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy; DIEM PROTESTANTA Ny jaborany kosa sy ny voany roa ary ny ila atiny, avy tamin’ilay sorona fanalana ny ota, dia nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny jaborany kosa sy ny voany roa ary ny ila atiny, avy tamin’ilay sorona fanalana ny ota, dia nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy; Baiboly Protestanta Malagasy fa ny saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin’ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy; Malagasy Bible fa ny saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin'ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara, araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy; La Bible en Malgache Ny jaborany sy ny voany roa ary ny ila atiny lehibe avy tamin’ny fanatitra fanadiovana dia nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy; |
Alaovy avokoa ny sabora safodrorohany, ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, ka indray dory hanetona eo ambony ôtely.
Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.
Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.
Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.
Ary natolotr’ireo zanak’i Aarôna azy ny ra, ka natsobony tao ny rantsan-tanany, notentenany ny tandroky ny ôtely, ary naidiny teo an-tongotry ny ôtely ny ra.