Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 9:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Ny jaborany kosa sy ny voany roa ary ny ila atiny, avy tamin’ilay sorona fanalana ny ota, dia nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ny jaborany sy ny voany roa ary ny ila atiny lehibe avy tamin’ny fanatitra fanadiovana dia nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ny jaborany kosa sy ny voany roa ary ny ila atiny, avy tamin’ilay sorona fanalana ny ota, dia nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Nodorany hanetona teo ambonin’ny ôtely ny saborany, ny voany, ny saboran’atiny, tamin’ny sorona noho ny ota, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 fa ny saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin’ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 fa ny saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin'ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara, araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy;

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 9:10
13 Rohy Ifampitohizana  

Tompo ô, ampio hiloa-bava aho, mba hanambaràko ny fiderana Anao.


Halainao ny sabora izay mandrakotra ny tsinainy mbamin’ny saron’atiny ary ny voany roa mbamin’ny sabora eo aminy, dia hodoranao eo ambony alitara avokoa.


Anaka, aoka hatoky ahy ny fonao ary aoka ny masonao hifaly amin’ny sori-dalako.


Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana. Fa rehefa nanolo-tena ho sorom-panorenana izy, dia hahita taranaka sy ho ela velona; ary amin’ny alalan’io mpanompony io rahateo no hahatanteraka ny sitrapon’ny TOMPO.


Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: «Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.


Fa izao rehetra izao dia nataon’ny tanako, ka dia Ahy avokoa izao rehetra izao; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Kanefa ny olona tsinjoviko dia ny mahantra sy ny torotoro fanahy ary ny mandray ny teniko amin-kovitra.


fa ny hena sy ny hoditra kosa nodorany tamin’ny afo teny ivelan’ny toby.


Ary nentin-janany ho eo amin’i Aharôna ny ran’ilay ombilahikely; dia nanatsoboka ny fanondrony tamin’ny ra i Aharôna, ka notentenany ny tandroky ny alitara; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-pototry ny alitara.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra