Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 9:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ary nentin-janany ho eo amin’i Aharôna ny ran’ilay ombilahikely; dia nanatsoboka ny fanondrony tamin’ny ra i Aharôna, ka notentenany ny tandroky ny alitara; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-pototry ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ary noentin’ireo zanak’i Arona ho eo aminy ny ra dia natsobok’i Arona tamin’ny ra ny fanondrony ka nahosony tamin’ireo tandroky ny alitara; ny ra sisa kosa dia naidiny teo am-pototry ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ary nentin-janany ho eo amin’i Aharôna ny ran’ilay ombilahikely; dia nanatsoboka ny fanondrony tamin’ny ra i Aharôna, ka notentenany ny tandroky ny alitara; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-pototry ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ary natolotr’ireo zanak’i Aarôna azy ny ra, ka natsobony tao ny rantsan-tanany, notentenany ny tandroky ny ôtely, ary naidiny teo an-tongotry ny ôtely ny ra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary nentin’ny zanak’i Arona ho eo aminy ny ra, dia nanoboka ny fanondrony tamin’ny ra Arona, ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny ra sisa dia naidiny teo am-bodin’ny alitara;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary nentin'ny zanak'i Arona ho eo aminy ny rà, dia nanoboka ny fanondrony tamin'ny rà Arona, ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin'ny alitara;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ary noentin’ireo zanak’i Arona ho eo aminy ny ra dia natsobok’i Arona tamin’ny ra ny fanondrony ka nahosony tamin’ireo tandroky* ny alitara; ny ra sisa kosa dia naidiny teo am-pototry ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 9:9
14 Rohy Ifampitohizana  

Ny fanambonin’ny alitara, izay misy ny fatana, dia roa metatra ny haavony, ka tandroka efatra no teo amin’ny zorony efatra.


Dia hangalanao ny rany ka hatentinao amin’ny tandroka efatry ny alitara sy amin’ny zorony efatry ny marin-tampona ambony ary amin’ny morony manodidina. Toy izany no hanadiovanao ny alitara sy hanokananao azy.


dia hivoaka hankeo amin’ny alitara eo anoloan’ny Tranolay fihaonana izy, ka hanao ny fombam-pivavahana fanadiovana io alitara io. Samy hangalany avy ny ran’ny ombilahy sy ny ran’ny osilahy hanentenany ny tandroky ny alitara eo amin’ny zorony efatra;


Hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ilay osilahy ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa dia haidiny eo am-pototr’io alitara io ihany.


Hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ra, ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona dorana; ary ny ra sisa rehetra dia haidiny eo ampototr’io alitara io ihany.


Novonoin’i Mosesy io ary nangalany ny ra ka notentenany tamin’ny fanondro ny tandroky ny alitara mba ho fanadiovana ny alitara manontolo; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-pototry ny alitara: toy izany no nanokanan’i Mosesy ny alitara mba hahazoana manao fombam-pivavahana famelan-keloka eo amboniny.


Ny jaborany kosa sy ny voany roa ary ny ila atiny, avy tamin’ilay sorona fanalana ny ota, dia nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy;


Dia novonoin’i Aharôna koa ny ondrilahy hatao sorona dorana manontolo; ka rehefa natolotr’ireo zanany azy ny ra, dia nafafiny tamin’ny lafin’ny alitara.


Farany, novonoin’i Aharôna ny ombilahy sy ondrilahy izay nentin’ny vahoaka hatao sorom-pihavanana; dia natolotry ny zanany azy ny ra, ka nafafiny manodidina tamin’ny lafin’ny alitara.


Eny, Andriamanitra, Izay nahary ny zavatra rehetra sady anton’ny nahariana ny zavatra rehetra, dia te hitondra zanaka maro ho any amin’ny voninahitra; ka rariny raha nataon’Andriamanitra ho tanteraka tamin’ny alalan’ny fijaliana tokoa i Jesoa, ilay mpitari-dalana azy ireo ho amin’ny famonjena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra