nametra-teny fa hisaotra ny vadiny izy ireo, dia niaiky ny hadisoany, ary nanatitra ondralahy iray ho fanonerana ny otany.
Levitikosy 4:13 - Baiboly Katolika Raha ny fiangonan’i Israely rehetra no nanota tsy nahy, fa tsy voatandrin’ny masony izany, ka nahavita zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao izy, ary tonga meloka tamin’izany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha ny fiangonan’ny Israely manontolo kosa no manota tsy nahy ka meloka, satria misy zavatra tsy hitan’ny mason’ny fiangonana, ary nandika ny iray amin’ireo didin’NY TOMPO amin’izay tsy tokony hatao izy, DIEM PROTESTANTA «Raha ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy na tsy misy mahatsikaritra izany aza ny Fiangonany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raha ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy na tsy misy mahatsikaritra izany aza ny Fiangonany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan’ny mason’ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin’ny didin’i Jehovah amin’izay tsy tokony hatao izy ka meloka, Malagasy Bible Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan'ny mason'ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao izy ka meloka, La Bible en Malgache Raha ny fiangonan’ny Israely manontolo kosa no manota tsy nahy ka meloka, satria misy zavatra tsy hitan’ny mason’ny fiangonana, ary nandika ny iray amin’ireo didin’NY TOMPO amin’izay tsy tokony hatao izy, |
nametra-teny fa hisaotra ny vadiny izy ireo, dia niaiky ny hadisoany, ary nanatitra ondralahy iray ho fanonerana ny otany.
Hanolotra omby iray ny mpanapaka amin’izany andro izany, hatao fanatitra noho ny ota, ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoakan’ny tany.
Handeha Aho hody any amin’ny fonenako, mandra-piaikiny ny mahameloka azy, ka hitadiavany ny Tavako. Fa hitady Ahy izy ireo, rehefa azom-pahoriana.
Handray osy lahy hatao sorona noho ny ota izy sy ondralahy iray hatao sorona dorana avy amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely.
Havoakany ho any ivelan’ny toby ny ombalahy, dia hodorany toy ilay ombalahy voalohany teo. Izany no sorona noho ny otan’ny fiangonana.
Raha misy olona manota, fa nahavita tsy nahy ny anankiray amin’ny zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao, dia ho meloka izy sady hivesatra ny otany.
Raha efa izany, havelany ny fanamiana, dia hosoloiny hafa, hitondrany ny lavenona any ivelan’ny toby, amin’ny fitoerana madio.
Raha manota tsy nahy ianareo, fa tsy mitandrina ireo didy rehetra nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy ireo,
Koa na zovy na zovy mihinana ny mofo, na misotro amin’ny kalisin’ny Tompo tsy amim-pahamendrehana, dia meloka amin’ny Vatana sy ny Ran’ny Tompo.
dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny, sady mpanenjika sy mpanao an-keriny; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tsy fahalalana no nanaovako izany, noho izaho tsy mbola nanam-pinoana;
Efa nanota i Israely, fa ny fanekeko nasaiko notandremany, nivadihany, ka nangalany ny zavatra natao anatema, norobainy izany, sady namitahany fa nafeniny tany anaty entany.