Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ezra 10:19 - Baiboly Katolika

19 nametra-teny fa hisaotra ny vadiny izy ireo, dia niaiky ny hadisoany, ary nanatitra ondralahy iray ho fanonerana ny otany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 dia nanolo-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sady handoa ondrilahy iray avy ho fanati-panonerany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 nametra-teny izy efa-dahy fa handroaka ny vadiny sy hanolotra ondrilahy iray avy ho sorona fanalana ny otany;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 nametra-teny izy efa-dahy fa handroaka ny vadiny sy hanolotra ondrilahy iray avy ho sorona fanalana ny otany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 dia nanolo-tànana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondrilahy iray avy ho fanati-panonerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 dia nanola-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondriny iray avy ho fanati-panonerany.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 10:19
9 Rohy Ifampitohizana  

Nony niala teo izy, dia nifanena tamin’i Jônadaba, zanak’i Rekaba, izay tonga hitsena azy, ka niarahaba azy sy nanao taminy hoe: «Mba tsotra tahaka izany foko aminao izany va ny fonao?» Dia namaly i Jônadaba hoe: «Izany indrindra.» «Raha izany àry», hoy i Jehò, «tolory tanana aho.» Dia natolotr’i Jônadaba azy ny tanany, ka nasain’i Jehò niakatra ho eo anilany teo ambony kalesy izy, nataony hoe:


Nanoa an’i Salômôna mpanjaka avokoa ny mpifehy sy ny lehilahy mahery rehetra, hatramin’ireo zanak’i Davida mpanjaka rehetra.


Koa aza manamafy ny hatokareo, toy ny nataon’ny razanareo, fa atolory an’i Iaveh ny tananareo, tongava ao amin’ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay, ary manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, mba hialan’ny afon’ny fahatezerany aminareo.


Tamin’ny taranak’i Emara: i Hananỳ sy i Zebediasa.


Mananty tanana amin’i Ejipta sy amin’i Asiria izahay, hivoky mofo.


Raha efa izany, havelany ny fanamiana, dia hosoloiny hafa, hitondrany ny lavenona any ivelan’ny toby, amin’ny fitoerana madio.


Tsy maintsy misy afo tsy maty, mirehitra mandrakariva, eo ambonin’ny ôtely.


sady fantany koa ny fahasoavana nomena ahy, dia ny nandray tanana anay sy i Barnabe no nataon’i Jakôba sy i Sefasy ary i Joany, izay natao andry fiankinana, ary izany no mariky ny firaisana, na izahay aza ho any amin’ny Jentily, fa izy ireo kosa ho any amin’ny voafora.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra