Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 4:13 - DIEM PROTESTANTA

13 «Raha ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy na tsy misy mahatsikaritra izany aza ny Fiangonany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Raha ny fiangonan’ny Israely manontolo kosa no manota tsy nahy ka meloka, satria misy zavatra tsy hitan’ny mason’ny fiangonana, ary nandika ny iray amin’ireo didin’NY TOMPO amin’izay tsy tokony hatao izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 «Raha ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy na tsy misy mahatsikaritra izany aza ny Fiangonany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Raha ny fiangonan’i Israely rehetra no nanota tsy nahy, fa tsy voatandrin’ny masony izany, ka nahavita zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao izy, ary tonga meloka tamin’izany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan’ny mason’ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin’ny didin’i Jehovah amin’izay tsy tokony hatao izy ka meloka,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan'ny mason'ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao izy ka meloka,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 4:13
17 Rohy Ifampitohizana  

nametra-teny izy efa-dahy fa handroaka ny vadiny sy hanolotra ondrilahy iray avy ho sorona fanalana ny otany;


Mety manao hadisoana ny olona, saingy tsy mahatsikaritra akory; koa mamelà ahy amin’ny ota tsy nahy.


Ny andro voalohany amin’ny fety no hanoloran’ny printsy filoha ombilahy iray hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoakany rehetra.


Handeha hody any amiko Aho, hoy ny TOMPO, mandra-piaikin’i Efraîma sy i Joda ho diso ka hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana mafy izy, dia hikatsaka Ahy fatratra.


Ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo dia handraisany osilahy roa hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo.


Ny sisa amin’ilay ombilahy kosa hasain’ny mpisorombe hoentina any ivelan’ny toby, dia hodorana tahaka ny sisa tamin’ilay ombilahy natao sorona ho azy mpisorombe. Izany no sorona fanalana ny ota ho an’ny fiangonan’ny Israelita.


«Raha misy olona manota satria manao tsy nahy ny anankiray amin’ny zavatra noraran’ny TOMPO, dia manjary manan-tsiny izy sady itambesaran’ota.


Dia hanala ny fanamiany teo ilay mpisorona ka hitafy fanamiana hafa, ary hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ny toby, amina toerana madio.


«Mety ho tsy nahy no nandikanareo ny iray amin’ireo didy rehetra nolazaiko tamin’i Mosesy,


Noho izany na zovy na zovy mihinana ny mofo na misotro ny fisotro aroson’ny Tompo ka tsy amin-toe-panahy mendrika, dia ho meloka amin’ny tenan’ny Tompo sy ny rany.


na dia nanevateva Azy aza taloha sady nanenjika sy nampahory Azy mafy. Kanefa namindran’Andriamanitra fo aho satria tsy mbola nanam-pinoana ka tsy nahalala izay nataoko.


Nanota ny Israelita ka nivadika tamin’ny fanekempihavanana nodidiako hotandremany; fa ny zavatra nasaiko nolevonina dia nakany sy nangalany ary nanafenany ka nataony tanaty entany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra