Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 22:9 - Baiboly Katolika

Hitandrina ny didiko izy ireo, sao hahazo ota ny amin’izany, na ho fatin’ny fanamavoan’ny zava-masina. Izaho no Iaveh manamasina azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Aoka hitandrina izay asaiko tandremana izy fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin’ny nanamavoany azy. Izaho TOMPO no manamasina izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Aoka ny mpisorona hitandrina izay fepetra nasaiko tandremany, fandrao hitambesaran-keloka ny amin’izany fanimbazimbana zava-masina izany izy ka ho faty. Izaho no TOMPO, Izay efa nanokana ny mpisorona hanompo Ahy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Aoka ny mpisorona hitandrina izay fepetra nasaiko tandremany, fandrao hitambesaran-keloka ny amin’izany fanimbazimbana zava-masina izany izy ka ho faty. Izaho no TOMPO, Izay efa nanokana ny mpisorona hanompo Ahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary aoka hitandrina izay nasaiko tandremana izy, fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin’ny nanamavoany azy: Izaho Jehovah no manamasina azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary aoka hitandrina izay nasaiko tandremana izy, fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin'ny nanamavoany azy: Izaho Jehovah no manamasina azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Aoka hitandrina izay asaiko tandremana izy fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin’ny nanamavoany azy. Izaho TOMPO no manamasina izany.

Jereo ny toko



Levitikosy 22:9
10 Rohy Ifampitohizana  

Ireo no hoentin’i Aarôna sy ny zanany, na hiditra eo amin’ny trano lay fihaonana izy ireo, na hankeo amin’ny ôtely hanao ny Fanompoam-pivavahana eo amin’ny Fitoerana Masina. Ary amin’izany dia tsy ho voan-keloka izy ka tsy ho faty. Lalàna mandrakizay izany, ho an’i Aarôna sy ny taranany mandimby azy.»


Hataony eo ambonin’ny afo, eo anatrehan’i Iaveh ny zava-manitra, mba ho voasaron’ny setroky ny zava-manitra ny fanaovam-panavotana, eo ambonin’ny vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.


Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ilazao i Aarôna rahalahinao, mba tsy hiditra lalandava ao amin’ny fitoerana masina, anatin’ny efitra lamba, eo anoloan’ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny fiara, sao ho faty izy, satria miseho eo amin’ny rahona eo ambonin’ny fanaovam-panavotana Aho.


Tandremo ny didiko mba tsy hanatanterahanareo na inona na inona amin’ireo fomba vetaveta fanao talohanareo, ka tsy handotoanareo ny tenanareo amin’izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.


sy tsy hampivesatra azy ny heloka ataony amin’ny fihinanana ny zava-masina avy aminy; fa Izaho no Iaveh manamasina azy.»


Tsy hanakaiky ny trano lay fihaonana intsony ny zanak’i Israely, fandrao dia hitondra ny helony izy ka maty.


Rehefa ny tsara indrindra aminy no natokanareo, dia tsy hahazo heloka ny amin’izany ianareo; tsy handoto ny fanatitra masina avy amin’ny zanak’i Israely, ka tsy ho faty ianareo.»


Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny volamena sa ny Tempoly izay mahamasina ny volamena?


«Tiava an’i Iaveh Andriamanitrao ary tandremo izay asainy tandremanao, dia ny lalàny amam-pitsipiny ary ny didiny, mandritra ny andronao rehetra.